Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maso
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maso
Hampiditra ohabolana
31.
Mati-kenamaso, ka homam-barim-boka
yveratsimb
32.
Matin-kenamaso ka homam-barim-boka
yveratsimb
33.
toy ny mason’ny mpandrary: mijery ny an-kazony, mandinika ny andalan-drambony.
itaramasoandro
34.
aza manao masoandro avy atsinana ka ny avo ihany no taingenana; fa manaova masoandro avy andrefana ka izay mivoha tsidihana avokoa.
itaramasoandro
35.
Sinoa manambady baribary maso ka ny fanarenan-taranaka no zava-dehibe
ainasihery
36.
torimason'ilay jamba ka aina no fetra
andrianaly
37.
Masoandro ririnina tsy natao hanafana ivelany ihany fa any anaty.
soanja
38.
Aza magnagno havignira-masoandro. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
39.
Antakay milagnona: tsy ilam-potsy maso. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
40.
Mitafy lamba imason'ny tompony.
soanja
41.
"Fara-fahitana izao" hoy ilay voa bala amin'ny masony.
soanja
42.
Voron-tsaporetika, papango didimaso, ka jereo aloha ny tena vao manenitra ny sasany.
soanja
43.
Masombika manambady Hova: gny tragno, iraisana, fa gny zaka, samby hafa. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
44.
ny tany tsy ho lavadavahana mbola hiverenana, aza mandrora mitsilany sao hahavoa tena, alaeo volana imaso toy izay volana ivoho, tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka, ny maherh tsy maody tsy ho ela velona
voniala
45.
Hady vomangan' i Kirijavola ka tonga dia ny vaomasony no potsirina
kiriah
46.
Vorontsiloza , fa loza ihany raha mahita tsaramaso eny am-paniriana.
soanja
47.
Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny.
soanja
48.
Mipaoka imason'ny tompony toy ny voromahery.
soanja
49.
Izaho angaha no nahandro ny tsaramaso no ikentronketronana?
soanja
50.
Ranomaso teren'ny setroka.
soanja
51.
Manao maso voatoton-tany.
soanja
52.
Vezo lahy mena maso ka tsy toaka akory fa voa-janahary
kiriah
53.
tsy maso hijery ,tsy saina hisafidy ,toy ny faty entin alina
kiriah
54.
Njola maso tsara vady ka matahotra ny tia tazatazana
kiriah
55.
DIDIMASON TSOKINA KA NY KELY ANANANA NO AVANDRAVANDRA
kiriah
56.
milaza tsy tia nefa manaramaso
kiriah
57.
Mivadika imaso toa tandrok'ondry.
soanja
58.
rastĂ mibango volo, ranomaso no isarahana
tsiafa
59.
Ny tsiny tsy misy maso fa mahita, tsy manantandroka fa manoto, tsy manana nify fa manaikitra, an-koditra vao mahangoly
walte
60.
Ny fitiavantsika dia ataontsika toy ny torimason'ny jamba ka faty no isarahana
DEDAKE
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0315