Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rambo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rambo
Hampiditra ohabolana
31.
be famaritra toy ny rambon'osy, ny lanitra tsy hianjera no tohanana nefa ny vody kakerin'ny moka tsy hita
ikoto
32.
Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho fa ny lelany hanamandona ny trafony.
niryna
33.
Andry ombin'Ifiringa adala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo
latina
34.
Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka mora lasa.
latina
35.
Be famangotra toa rambon'osy, ny lanitra tsy ienjera tohanana fa ny vody kekerin'ny moka tsy heverina
Swin
36.
manalasala ohatry ny angidina, ato mahia be tratra, atao matavy kely rambo
raniry
37.
Be famaritra toa rambon'osy
jentilisa
38.
ny kary no manao ny ataony ka ny saka no voatapa-drambo.
jentilisa
39.
Mandady ny trambo
JMR
40.
be famaritra tahaka ny rambon'osy: lanitra tsy hianjera no tohanana
jentilisa
41.
Namono biby tsy nahafaty ka ifoteran'ny rambony.
jentilisa
42.
Aza be famaritra toa rambon'osy
JMR
43.
Ny kary no manao ny ataony ka ny saka no voatapa-drambo
JMR
44.
Ranotrambo: be fiavy fa mora lany
jentilisa
45.
Androngo an-asa ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka.
jentilisa
46.
mamono biby tsy mahafaty ka hifoteran'ny rambony
ramuscle
47.
Aza manao fitia rano trambo : be fihavy fa mora lasa.
lanto
48.
Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho, fa ny lelany hanamandina ny trafony
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0245