Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rery
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rery
Hampiditra ohabolana
31.
Raha hihomehy hianao dia hiara-hihomehy aminao ny rehetra, raha mitomany hianao dia hianao irery ho hiaran'izany
niryna
32.
Zaza nilaozan-tsakaiza k'a milalao vovoka irery.
ilanto
33.
Ny vy tsy mikorotsana irery
niryna
34.
Raha hendry hianao dia hendry ho an'ny tenanao ihany, raha maditra hianao dia hianao irery no hiharan'izany
niryna
35.
Raha mitomany hianao, dia hianao irery no mitomany fa raha mihomehy kosa hianao dia mihomehy miaraka aminao ny amban'ny lanitra.
niryna
36.
Tsara kokoa ny irery tsy arahan-dramoromo toy izay mpinama roa miady lava
niryna
37.
Izay mandeha roa salahain'olombelona, ny mandeha irery salahain-Janahary.
aivetinakely
38.
Miady irery tahaka ny mpiteraka.
aivetinakely
39.
Ny asa tsara dia tsy noho ny hery irery ihany fa noho ny fikirizana
niryna
40.
Hazo an-kadilànana ka tenain-drivotra irery.
aivetinakely
41.
Miady irery tahaka ny mpiteraka
aivetinakely
42.
Manao fatim-balala ka maty mamikitra bozaka irery
aivetinakely
43.
Miteny irery toy ny miresaka amim-bazimba
latina
44.
Mandeha irery, sahalain'andriamanitra, mandeha roa, sahalain'olombelona
latina
45.
Andriamanitra tsy an'ny irery
latina
46.
taitra ny olona tsy mba taitra fa taitra irery vao mamaky takotra
Malalason
47.
Tao-trano tsy efan'ny irery
doum
48.
Ny vy tsy mikitrana irery
JMR
49.
Olon-drery tsy mba vahoaka
hery
50.
Raha sosoa no ataon-dRahavana, izaho irery no mahatan-kadivory, roa lahy mahasakana arivo
hery
51.
Ny lozabe maty tsy atrehin-kavana dia toy ny adrisa ka mamikitra ahitra irery
hery
52.
Taitra ny olona tsy mba taitra, taitra irery vao mamaky takotra
hery
53.
Tao-trano tsy efan'irery
jentilisa
54.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery
vale
55.
Aza manao toy ny jorery, ny feo mampita lohasaha, fa ny tenany tsy ampy indraim-bava.
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0184