Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant tantely
Liste des proverbes, contenant
tantely
Insérer un proverbe
31.
Fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ny tompony indray no milela-tanana
jentilisa
32.
Maty mamela mamy tahaka ny tantely
jentilisa
33.
Tantely vaky: mitsentsitra avokoa na ny adala na ny hendry.
jentilisa
34.
very maina tahaka ny tantely nahoso-bato
jentilisa
35.
Lehilahy miloloha tantely, mibaby akondro, misekelika fary, izay rehetra nentiny mamy avokoa.
jentilisa
36.
tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, na ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra fa ny atao no mahasoa na maharatsy
zanita
37.
Toy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ka tian-ko lalina indrindra
hery
38.
Raha jerena, toa olon-kendry, tantely fiandry andriana ; kanjo nony dinidinihina, fanambonim-bary fiandry alika
hery
39.
Tantely tapa-bata ka ny vava no mameno azy
hery
40.
Tantely afa-drakotra
JMR
41.
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy.
lanto
42.
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran- tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.5835