Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe toko
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
toko
Hampiditra ohabolana
31.
Sendra masaka, tokony hihinana, avy tsy asaina, nasesiky ny razana.
latina
32.
Mpifankatia tsy miresaka ka very ny roatokom-pitiavana
ninise
33.
Ny hitsitokotokoan'ny lohany, hahasamihafa ny heviny
marozevo
34.
Raha mpifankatia tsy miresaka, hono, very ny androan-tokom-pitiavana.
marozevo
35.
Fara vady tokoa anadahy
doum
36.
Ratsy tokoa ny lainga fa na ny mpandainga aza tsy tia azy.
jentilisa
37.
adin'ny mpivady: tokoam-bary aza iadiana
jentilisa
38.
Fitia tokonana, tiana fa dikadikaina ( hitsakitsahina)
jentilisa
39.
Toko no tadiavina ka vato no hita
hery
40.
Ratsy tokoa ny lainga, fa ny mpandainga aza tsy tia azy
hery
41.
nitady toko ka sendra vato
jentilisa
42.
ny toko dimy samy manana ihany
jentilisa
43.
mpitadi-bato tsy mihoraka very ny androatokon'aina. ary mifankatia tsy miresaka very ny androatokom-pitiavana
jentilisa
44.
nitady toko ka sendra vato, naniry zaza ka tera-dahy
jentilisa
45.
toko tapaka, vilany mitongilana izay tsy mety arenina
jentilisa
46.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5938