Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tompony
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tompony
Hampiditra ohabolana
31.
Aza mahidy toa mpivaro-tantely ka ny tompony indray no milela-tànana.
aivetinakely
32.
Mindrana angady lohan-taona, ka maniraka ny tompony hiasa
aivetinakely
33.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa.
niryna
34.
aza manetriketrika ny an'olona, fa rehefa masaka batain'ny tompony
latina
35.
Toy ny salaka ny fanahy, ny tompony ihany no ho didininy
latina
36.
valalan'alika, ny tompony aza tsy tia
latina
37.
Toiny valalan'alika ka ny tompony aza tsy tia
rafozanasket
38.
ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
nanette
39.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony.
hery
40.
Aza kely sahy lapa tahaka ny lalitra ka hitsaba-dovia mialoha ny tompony.
MioraArielle
41.
Maka imason'ny tompony tahaka ny voromahery.
jentilisa
42.
Fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ny tompony indray no milela-tanana
jentilisa
43.
mpanankarena tsy mihinana: tsy tompony fa mpitahiry entana.
jentilisa
44.
mpanankarena mahihitra: tsy tompony fa mpiandry entana
jentilisa
45.
Ombalahy tanimanga, ny tompony ihany no mitrena
jentilisa
46.
Aza sarotiny alohan'ny tompony
JMR
47.
Aza sarotiny alohan\'ny tompony
JMR
48.
Manao ny tompony toy ny mpihambo
McFy
49.
Mindrana angady fahavaratra, maniraka ny tompony hiasa
JMR
50.
Alahelo tsy ambara havana, zakan'ny tompony ihany
DIDIH
51.
Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha.
ftma
52.
Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia
jentilisa
53.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
54.
Ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
hanta77
55.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0173