Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tompony
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tompony
Hampiditra ohabolana
31.
Ny tompony mahazaka ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
32.
Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony fa saho hozoniny hianao ka ahazo heloka
niryna
33.
Hena an-tànan-tsaka ka afoizo fa antànan-tompony.
aivetinakely
34.
Aza mahidy toa mpivaro-tantely ka ny tompony indray no milela-tànana.
aivetinakely
35.
Mindrana angady lohan-taona, ka maniraka ny tompony hiasa
aivetinakely
36.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa.
niryna
37.
aza manetriketrika ny an'olona, fa rehefa masaka batain'ny tompony
latina
38.
Toy ny salaka ny fanahy, ny tompony ihany no ho didininy
latina
39.
valalan'alika, ny tompony aza tsy tia
latina
40.
Toiny valalan'alika ka ny tompony aza tsy tia
rafozanasket
41.
ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
nanette
42.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony.
hery
43.
Aza kely sahy lapa tahaka ny lalitra ka hitsaba-dovia mialoha ny tompony.
MioraArielle
44.
Maka imason'ny tompony tahaka ny voromahery.
jentilisa
45.
Fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ny tompony indray no milela-tanana
jentilisa
46.
mpanankarena tsy mihinana: tsy tompony fa mpitahiry entana.
jentilisa
47.
mpanankarena mahihitra: tsy tompony fa mpiandry entana
jentilisa
48.
Ombalahy tanimanga, ny tompony ihany no mitrena
jentilisa
49.
Aza sarotiny alohan'ny tompony
JMR
50.
Aza sarotiny alohan\'ny tompony
JMR
51.
Manao ny tompony toy ny mpihambo
McFy
52.
Mindrana angady fahavaratra, maniraka ny tompony hiasa
JMR
53.
Alahelo tsy ambara havana, zakan'ny tompony ihany
DIDIH
54.
Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha.
ftma
55.
Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia
jentilisa
56.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
57.
Ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
hanta77
58.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0295