Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tompony
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tompony
Hampiditra ohabolana
1.
Boka mangala-boatavo dia miandry ny tompony hanatatao.
Tokymnp
2.
Saro-devonina sahala ny tsaramaso tsy tsara masaka, manahirana ny tompony ary koa manahirana ny mpiara-monina.
tsiroa
3.
Boka nangala-boatavo ka miandry ny tompony hanatatao
varombo
4.
Lainga toahiny salaka ny tompony ihany afatony
andriamena45
5.
Takitrosa amin'andriana ka ny tompony indray no manambitamby.
aivetinakely
6.
Kibo mikoraraika: ny tompony no mahalala
yveratsimb
7.
Aza manao tompony, mangataka atiny
yveratsimb
8.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy, lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony
yveratsimb
9.
Tsy vorodea ty fiay ,tsy hay ty tsy tompony
tatinatah
10.
Valalan 'alika ka ny tompony aza tsy tia.
niryna
11.
Manjora mitsilany ka miverina any amin'ny tompony
niryna
12.
orakoraka ny any saogna fa tsibobohika no tompony rano
andrebab
13.
Mitafy lamba imason'ny tompony.
soanja
14.
Misarebaka ny lamba indrana, ka nony tonga endahin'ny tompony.
soanja
15.
Tsakitsakin-jaza: tompony indraika izarana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
16.
Sadika gny fagnahy : tompony my hodidigniny.
soanja
17.
Mipaoka imason'ny tompony toy ny voromahery.
soanja
18.
Fody lahy mena vary ka manandrana alohan'ny tompony.
soanja
19.
Vatolampy nanasan-dandy, ka ny lavenona lasan'ny rano, ny landy lasan'ny tompony.
soanja
20.
Fitia voazara, ny maharitra no tompony.
aivetinakely
21.
Alika mahia, sady tsy mahavita adidy no manala baràka ny tompony
aivetinakely
22.
Ny mpamendrofendro no betsaka fa ny tompony mahazaka ihany
niryna
23.
boka mangala-boatavo ka miandry ny tompony hanatatao
Raherizo
24.
Ombimahia lavatandroka, tsy voninahitra ho an'ny tompony fa famenoana isa fotsiny.
aivetinakely
25.
Mitsoalatsoala tahaka ny kavina lava ka jejo alohan'ny tompony
aivetinakely
26.
Izay miteny lango eo imason'ny vary, mitafy lamba eo imason'ny tompony.
aivetinakely
27.
mindrana angady lohataona ka maniraka ny tompony hiasa
elyzo
28.
Ny tompony mahazaka ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
29.
Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony fa saho hozoniny hianao ka ahazo heloka
niryna
30.
Hena an-tànan-tsaka ka afoizo fa antànan-tompony.
aivetinakely
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0543