Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maha
Hampiditra ohabolana
661.
Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana.
lanto
662.
Ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka.
lanto
663.
Izay mahavangivangy tian-kavana.
lanto
664.
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy.
lanto
665.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
lanto
666.
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran- tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy
hery
667.
Ataovy fitian-dranon'erika: madini-piavy fa mahatondra-drano
hery
668.
Aza manao toy ny voavahy : tsy mahajoro tena, fa mitomany hisarangotra ny sasany.
hery
Voalohany
Mialoha
21
22
23
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0784