Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Ataovy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Ataovy
Hampiditra ohabolana
61.
Ataovy fitia landy hazo: ka ny madilana tentenana, ary ny maito tohizana.
latina
62.
raha mpamosavy azo nanitsaka, ataovy toy ny anana, ka raha maniry, tsongoy
latina
63.
ataovy fahanteran-garana-tsinoa...mikentrona vao maika mamy sy manitra mamerovero
litakelinineny
64.
Ataovy toy ny fihavanam-bary ka antsaha tsy mifanary antanaty tsy mifandao
herikely
65.
ataovy maro ny tiana dia ho vitsy ny fahavalo
harikalo
66.
Aza atao fihavanam-bato, raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy, raha tapaka azo tetenina
rajah
67.
Raha maratra ny tanana, mitsotsoka ny vava. Raha marary ny molotra, misafosafo ny tanana. Aza mitoto vary fohy loha. Aza manolo-bato mafana ny zaza. Mahery tsy maody hono tsy ho ela velona. Ataovy fisotro ranon'akoho, izay azo kely no andrandraina.
nanapiso
68.
Aza atao fihavanana somidika ambony toa menaka, fa ataovy fihavanana latsaka anaty toa tsoka
rakekely
69.
Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
Mandefitra
70.
Ataovy maro ny namana fa iray ihany no itokiso
doum
71.
Ataovy toy ny ady vomanga ny kirija vola tonga de ny voamasony no potsirina
doum
72.
Ataovy toy ny voankazo an'ala, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavy.
jentilisa
73.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana; koa raha maray ny vava misafo ny tanana ary raha marary ny tanana mitsoka ny vava
mandrindra
74.
Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
hery
75.
Ataovy fitian-dranon'erika: madini-pihavy fa mahatondra-drano
jentilisa
76.
Ny havana ataovy toy ny andry ombin'Ilaimora : ny aloha vaosafosafo ary ny aoriana voatehatehaka
hery
77.
Ataovy toy ny dian-tanalahy, tsinjovina ny eo aloha, jerena ny aoriana.
jentilisa
78.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana mitsoka ny vava, raha marary ny vava misafo ny tanana.
lanto
79.
Ataovy fitia landihazo: ka ny madilana tentenana, ary ny mà ito tohizana.
hery
80.
Ataovy fitian-dranon'erika: madini-piavy fa mahatondra-drano
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0207