Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe añy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
añy
Hampiditra ohabolana
61.
Tsy misy ny kamo ambinina,fa ny hatsembohan'ny tavanao ihany no ihinanan'ny vavanao.
Ny_Arlinah
62.
Kodiaran-tsarety ny fianana; ny ambony mbola ho lasa ambany ary ny ambany mbola ho lasa ambony.
Ny_Arlinah
63.
voalavo misangy andavenona ka ditsoky ny nataony ihany
fanantenanahadji
64.
ny marina toy ny trondro vaventy,ka tsy hita raha tsy any amin'ny lalina
fanantenanahadji
65.
tsy amoron'ny alika ny matory ambanin'ny trano; fa tsy fahavitany trano
ramiandrisoa_jean_marc2018
66.
Ombilahy miasa, ka izay manao ihany no voakaravasy
Miarokimialy
67.
Aza Mijery Ny Haratsiany ,Fa Ny Hatsarany No Jerena.
avoss Jah
68.
Aza atao fitia paraky ka atreho am-bava ihany
nalsonrazakariasa2015
69.
Raha ny rainy ve ny mitsako sy mihinana ny marikivy, dia avy eo ny zanany lasa madilo nify
tahiana.dafy2015
70.
Tia ho deraina toa olotra, ka any anaty tay no manao akiletika
lehsabotsy
71.
Aza ny ahakelin'ny maojany no jerena, fa ny haben'ny lohan-jaza havoakany
lehsabotsy
72.
Hadinoy ny lasa ary aza tsikeraina intsony ny lavenonany.
myriah3
73.
Didimason'ny be lanonana, mitomany mahita soa
omegaedvin
74.
Ny tany no tsy asian-dratsy, ny iverenana
herrand_miri
75.
Manao azy ho toy ilay vinanto mahay mandrafitra,ka mitondra hazo mivilana avy any an'ala.
gui.razafindrazaka
76.
Mazoto kamo velona sahala amin'ny akoholahy, mba mifoha maraim-be ihany fa mijanona eo amorom-patana.
randriajj
77.
Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa indray vô hifanary?
Ndriamanagna
78.
Oento any refa tsy foy sao hamoizako ny aiko.
uneféelanableurose
79.
Indeso any lafa tsy foy, tsino hamoizako ty aiko.
uneféelanableurose
80.
Noana manontany lera, voky manontany ondana.
Lahimatoa
81.
Tsy lany lainga toy ny mpampirafy
Belouv
82.
Izay tsy milalao sain-kanina, sakaiza-bilany vy kendakorona
zahoity
83.
Ny katsaka no manao baby telo, ny tany aniriany no lonaka
haj.hery
84.
Solika raraka an-tany, tsy tonga mba hamelona fa hamono.
dr
85.
Toko tapaka,vilany mitongilana;izay tsy mety arenina.
Topher
86.
Fitia toko-kena ka samy mahazo ny anjarany
ramiarinjatovo
87.
Tsim-pary amin'ny kolony, tsy ho lany hamamy.
IsraelCatz
88.
Aza malahelo voalavo maty fa mbola be ny any an-tsaha
OZ16
89.
Aza manontany basy amin'ny Anglisy
OZ16
90.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloina hofany aza tsy mety
OZ16
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0287