Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe andeha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
andeha
Hampiditra ohabolana
61.
Ry iano mamolava: mandeha, mihemotsy bakeo mitotsy, fa gege!
roscarb
62.
Hitikitiky tsy mandeha raiky fa ao raha!
roscarb
63.
Ny vady hono manam-pandehanana, fa nyhavana tsy azo ariana. # Ny vita-bady anefa tsy vitan-kavana
jo
64.
Toy ny lamba : raha tezitra, isikinana ; raha mandry, irakofana ; raha mandeha, itafiana
zouzou
65.
Ny biby tsy manan-doha tsy mandeha
jentilisa
66.
Indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe
JMR
67.
Ny zaza toy ny rano am-pasika, izay amiliana azy no andehanany
JMR
68.
Mandeha ho azy toy ny tain'ny marary
JMR
69.
Mandehana dieny malaina, fa rehefa mazoto tsy afaka intsony
hery
70.
Lahiantitra manin-kavana : hitsinjo, tsy mahita, handeha tsy afaka
hery
71.
Loharano tsy dikain'ny zinga, ary ny zoky tsy ialohava-mandeha
jentilisa
72.
mandeha ila tahaka ny kiraron'Ibeminaha
jentilisa
73.
indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe
jentilisa
74.
Fomban'ny sarety ny mandeha mialoha
vale
75.
Mpamosavy mandeha alina aza misy mahita
vale
76.
Raha tiana ny vady dia ny rafozana no tsinjovi-mandeha
chipie1
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0421