Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe faty
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
faty
Hampiditra ohabolana
61.
manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may.
latina
62.
Lamban'akoho ka faty no isarahana
FRanaivo
63.
ny manambady ny masiaka, mitahiry varatra an-trano ary ny manabady ny kamo, mitahiry faty tsy maimbo
antsiry
64.
Manao faty besakoa laha maty mianky
kalamimi
65.
Raha mahafaty tsy ambara valy
roscarb
66.
Tipaky antakin'anake: tsy maharary fa mahafaty
roscarb
67.
Ny hena masaka mahavelona, fa ny henamaso mahafaty
marozevo
68.
Ny lemilemin-dradity no nahafaty an-drafody
Malalason
69.
tsipak'ombalahy ny ana-dray sy Reny mahavoa mahafaty tsy mahavoa mahafanina
Malalason
70.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia, misotroa tsingala ho faty.
jefra
71.
tanora be sondrotr'aina mety ho faty alohan'ny marary
jentilisa
72.
Sandry be tsy hery; fahatanorana tsy ody faty.
jentilisa
73.
Raha nahafaty ny fifosana efa be no lasan-ko-razana
JMR
74.
Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
JMR
75.
Namono biby tsy nahafaty ka ifoteran'ny rambony.
jentilisa
76.
ny hena masaka no mahavelona, ny hena-maso no mahafaty
jentilisa
77.
Mivoaka ho faty hoatran'ny kankana
JMR
78.
Ny anadray aman-dreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina fa raha mahavoa mahafaty
mandrindra
79.
Ny tenin-draiamandreny toy ny tsipak' ombalahy : raha mahavoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina
hery
80.
Ny ditra mahafaty, ary ny kiry mahavery
hery
81.
Mivoaka ho faty ohatry ny kakana
hery
82.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy ; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia, misotroa tsingala ho faty
hery
83.
mamono biby tsy mahafaty ka hifoteran'ny rambony
ramuscle
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171