Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ihavanana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ihavanana
Hampiditra ohabolana
61.
aleo mifanao sarotra hihavanana amin'ny ela toy izay mifanao mora hiadiana amin'ny farany
jentilisa
62.
Ny fihavanana ohatra ny landy, maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro
McFy
63.
Ny fihavanana toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava aloha no kely ila
McFy
64.
Ny fihavanana tsy azo vidiana
McFy
65.
Varotra tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
vale
66.
Ny ahiahy tsy ihavanana
vale
67.
Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana.
lanto
68.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
lanto
69.
Ny ahiahy tsy ihavanana.
lanto
70.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; ary raha ketrahina miboraka
hery
71.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona, hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0872