Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lahy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lahy
Hampiditra ohabolana
61.
Gisa lahy homan-ketsa, ka izy mangalatra indray no avo feo
yveratsimb
62.
Sikotry tsy lavitra ny omby, lehilahy tsy lavitry ny vehivavy.
aivetinakely
63.
Ny anatry ny ray toy ny tsipak'ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina
yveratsimb
64.
Andevolahy nahazo asa ka ny valifaty no mandany ny fiainany.
aivetinakely
65.
ny lahy tsy te hofaty, ny vavy tsy tia miaina ny lahy maty noho izy ny vavy miaina noho izy
tk18
66.
Ratsy fiafara toy ny lahy antitra mamosavy
rjuste
67.
akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan’aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
itaramasoandro
68.
Ny ana-draiamandreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina, raha mahavoa mahafaty
ravomahandry
69.
Fon-jazalahy, atakalo, fon-jazavavy
rijadolly
70.
Tanalahy ambony hazo ny vintana, miova volo nony misy zaza misioka.
soanja
71.
Andevo lahy lasan-davitra, ny asa mafy ny fo manin-kavana
kiriah
72.
1/ Jaolahy nitombohom-bàviny, resy amin'ny fitiavagna 2/ Jaolahy nitomboko tomboay, tsy mahay fa kafiry 3/ Jaolahy nitombo-bosy, vatany fagnefany 4/ Agnomby mahia tsy lelafin'ny namany 5/ Namono agnomby, nitono kobantigny, tavin-draha samby isany
SEVAMBONY
73.
Akanga lahy miady tsatsangotra: sola loha foagna. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
74.
Voay lahy tsy miara-lovoka. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
75.
Parasin'Ambohimanoa: ny vavy be loha,ary ny lahy kibotaina, ka samy mahalala ny anjarany.
soanja
76.
Ragnalahy nitono voamaho: azon-tsaoka an-dragno. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
77.
Lavi-dingana hoatry ny andevolahy misikidy ho andriana.
soanja
78.
Andevolahy mikalo hariva; tsy alahelo fa kibo tsy feno.
soanja
79.
Hovalahy mamosavy andevolahy, ka misolo ny entan-kitainy.
soanja
80.
Hovalahy mibaby andriana, ka misolo ny entan'ny Manendy.
soanja
81.
Vaka-potsin'andevolahy, ka sady an-doha no an-tongotra.
soanja
82.
Andevolahy feno kibo, minia tsy handositra, fa ny andevolahy noana, mitomany hamidy.
soanja
83.
Andevolahy maty vady; sikajy latsaka erany no azy, ka "lanio izay ho lany!"
soanja
84.
Andevolahy maty hariva, ka vovon'alika no anjara tafondrony.
soanja
85.
Maina tsy azo diasana hoatra ny fia-parin'andevolahy.
soanja
86.
Mba ataovy toy ny anana lahy, ka raha maniry, tsongoy.
soanja
87.
Andevolahy mianala; ka ny hazon'andriana tsy tonga, fa ny fanoto no lanjalanjaina.
soanja
88.
Ny andevolahy kapila voahitsaka, ny andevovavy vomanga an-kotrika.
soanja
89.
Aza mikapa sakaiza hoatra ny andevolahy homan-tain-jiro.
soanja
90.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asai-manao tsy mety, nony tsy irahina, manao.
soanja
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0329