Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tain
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tain
Hampiditra ohabolana
61.
Tain'omby mivadika aza tsisy mpandray
doum
62.
Aza manody ny tain-goavy
JMR
63.
Aza manao sahala @ jamba mangery amoron-tevana ka latsaka aloan'ny tainy
fotaka
64.
Mitaintain-dava toa sahobakaka am-body riana
JMR
65.
Lalitra mitaingina omby, ny eritreritra betsaka fa ny hoenti-manana manify
JMR
66.
Rehefa mety ny atao ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa. Rehefa tsy hety ny atao, ny tain'akoha aza mahasolafaka
JMR
67.
Aza mifampidera tain-dalitra fa samy zanakin'ny mpamoron-kira
JMR
68.
Mandeha ho azy toy ny tain'ny marary
JMR
69.
raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava, tain'akoho mahatafintohina.
jentilisa
70.
Zozoro taingenam-pody tsy folaka fa mandefitra
JMR
71.
Aza manao toy ny masoandro any atsinanana, ny avo ihany no itaingenana fa manaova toy ny masoandro any andrefana, izay mivoha varavarana tsidihina avokoa.
jentilisa
72.
Mitaintain-dava toy ny sahobakaka ambody riana
jentilisa
73.
vero taingenam-pody, tsy folaka fa mandefitra
jentilisa
74.
Aza miavo-tsy feno toa tain-delo: mbola tsy feno ka efa manamorona
jentilisa
75.
voa roa tahaka ny tain'omby natsentsina an-dava-bary
jentilisa
76.
Sorohitra mitaingina ambony antsoro, ka ny malemy ihany no tsindriany.
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0174