Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tain
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tain
Hampiditra ohabolana
1.
Indroa nahita ny maizina otran`ny tain`omby natsentsina an-davaboalavo
RIJA08
2.
Jamba mangery amoron-tevana ka latsaka alohan'ny tainy.
Ny_Arlinah
3.
Ny mananasy no boka mitaingin-tseza; fa ny olona boka kosa tsy mba hahazo seza.
aivetinakely
4.
Mitaiintaina toa sobakaka ambodiriana
OZ16
5.
Andevo lahy mangery anjezika,fahavaratra aza miloloha ny tainy
Damihar'sS
6.
Aza manao masoandro avy any atsinanana : ny avo ihany no taingenana ; fa manaova masoandro avy andrefana : izay mivoha idirana avokoa
jock
7.
rafotsibe hangery amoron-tevana,latsaka alohan'ny tainy
sakaiz
8.
Samy manana manana ny tiany hoy ilay rangahibe nitsako tain-delo
strapotin
9.
Volamena notaingenam-boahangy, tafahaona samy mamiratra.
aivetinakely
10.
Be tsy misaina tahaka ny vato, tsy miteny ka taingenam-borona.
aivetinakely
11.
Rafotsibe leom-boanjo ka tain’ondry avy no andosirana
yveratsimb
12.
Tain' angely ka samy manilika ny eo am-baravarany
yveratsimb
13.
Mitafa amin' ny mpanankarena ka raha tonga mitain-kidin-trano
yveratsimb
14.
Raha mahay mitaingin’ampondra, fa raha tsy mahay mitangina ampombo
yveratsimb
15.
aza manao masoandro avy atsinana ka ny avo ihany no taingenana; fa manaova masoandro avy andrefana ka izay mivoha tsidihana avokoa.
itaramasoandro
16.
Boka mitaingindakana; izay itodiany no iampitàna
aivetinakely
17.
Tainalikan'i Zily
josla
18.
Ambakain'ny tainy tahaka ny alika nihinan-droatra
samaky
19.
Vilahin-doso, sady tsy mahatevy ala no tsy mahadinika kitaina. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
20.
Parasin'Ambohimanoa: ny vavy be loha,ary ny lahy kibotaina, ka samy mahalala ny anjarany.
soanja
21.
Hovalahy mamosavy andevolahy, ka misolo ny entan-kitainy.
soanja
22.
Aza mikapa sakaiza hoatra ny andevolahy homan-tain-jiro.
soanja
23.
Fakam-bolontsangana aho mitaingina ny avo.
soanja
24.
Raha mbola vao dia mitaingina bao, fa nony tamana taingenan'ny bao.
soanja
25.
Sahombora mitaingina harefo, ka mifanindry samy malemy.
soanja
26.
tsy folaka fa mandefitra toy ny vero nitaingenam-pody
kiriah
27.
Tain'angely, ka samy mailika izay eo ambaravarany.
soanja
28.
Loham-balala, tsy misy hanarahana azy fa tainy avokoa.
aivetinakely
29.
Vatobe hobataina, ny ôsika ihany no mampalaky azy.
aivetinakely
30.
Raha mety ny atao, ny saobakaka aza mampidi-dranoketsa, fa raha tsy mety kosa ny atao, ny tain'omby aza mampianjera
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0192