Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe very
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
very
Hampiditra ohabolana
61.
Raha torimaso, hono, no tsy taitran'amponga, fohazy sao nodimandry, ary raha teny aman-kilontsaina no fonosina tsy hivoaka, tandremo fa sao very hasina
aivetinakely
62.
Ny vehivavy tsy mba very mandeha.
aivetinakely
63.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
niryna
64.
Fanjaibe hazo ny fitiavana ka very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
aivetinakely
65.
Aza mimenomenona toy ny sinoa very entana
niryna
66.
very aho malalako, notaizaiko ho saka kanefa lasa kary
Rajordri
67.
Aza manao havako raha misy patsa, fa aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
niryna
68.
Voanemba mipitika anjoro, tsy very fa maka toerana
rtol
69.
Ny very ondry manara-morona, ny tsy ampy ketsa mivezivezy
rtol
70.
Very anjevony tahaka ny tsifoky ny mpifàna.
aivetinakely
71.
Akoho lasan'ny papango, very vao misidina ambony.
aivetinakely
72.
Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
aivetinakely
73.
Voanemba mitsipika anjoron-trano, tsy very fa mihaona amin'ny namany
aivetinakely
74.
Ny very ondry manara-morona, ny tsy ampy ketsa mivezivezy
aivetinakely
75.
Very an-trano toa fanjaitra.
niryna
76.
Miasa jamba rafozana;herim-po very foana.
niryna
77.
fotsim-bary natao an-karom-boatokana: very sasaka, very fahatelo.
latina
78.
boka very tsy misy araka
latina
79.
banga very antsy, ka ny kenda no ampoizina
latina
80.
Tsy gn'angira lava, mahavery agnomby
SENATERA
81.
Aza atao toy ny sotrobe hazo ka hita tsy mahafaly, very tsy mampalahelo
naritsimba
82.
Aza atao toy ny sotro be hazo ny vady, ka hita tsy mahafaly very tsy mampalahelo
naritsimba
83.
Aleo very tsikalam-bola toy very tsikalam-pihavanana
turbo
84.
aleo very
titibah
85.
Mpifankatia tsy miresaka ka very ny roatokom-pitiavana
ninise
86.
Raha mpifankatia tsy miresaka, hono, very ny androan-tokom-pitiavana.
marozevo
87.
Raha lava ny ahitra very ny kisoa, ary raha lava ny teny very ny soa.
oze34
88.
Rafotsibe very laona ka miandry izay higadonany
ela
89.
Toy ny valala voatango ka very fanahy mbola velona
mandrindra
90.
Very maina toy ny vomanga atora-kisoa
Mandefitra
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0175