Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hina
Hampiditra ohabolana
91.
Mora ny mitondra tehina fa sarotra ny mitondra tena
niryna
92.
Mihambohambo tsy tia vary mohaka, fa mihinana ny masiso be herinandro
niryna
93.
Hano aho ihinanako anao
niryna
94.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona.
ilanto
95.
Solafaka omen-tehina, potraka omen-kiraro
niryna
96.
Solafa omen-tehina, potraka omen-kiraro
niryna
97.
Aza milanjalanaja toy ny akoho mihinam-biby
niryna
98.
Malaza tsy hihinana toy ny viliantsahona
niryna
99.
Poritr'ovy Ankaratra ka samy mihinana izay voapotsipotsiny
rtol
100.
Vavakisoa misy sira, ka tokinao hihinana azy.
aivetinakely
101.
Ny saina toy ny hevitra:koa raha tsotra loatra, tsy mitondra, raha melo-doatra, mipoaka izay tsy hopaohina
niryna
102.
Malaza tsy hinanana toy ny lovian-tsahona
rtol
103.
Boka mangala-pihinana ka lany andro teo am-pisangiana takotra
rtol
104.
Vavan-kisoa misy sira, tokinao hihinana azy.
aivetinakely
105.
Ataovy dian-tana ny fiainana, banjinina ny aloha, todihina ny ny afara.
aivetinakely
106.
Ataovy ohatran'ny mihinam-bomanga bila ka any an-tenda izy no ahitsy
niryna
107.
Mianjonanjona, toy ny akoho nihinam-bitsika.
ikalamako
108.
Malaza tsy ihinanana tahaka ny lovian-tsahona
aivetinakely
109.
Vitsika mitondra lolo, be am-pitondrĂ na fa kely am-pihinanana
aivetinakely
110.
Raha voatonona ny sola, mahimahina ny maza ray
aivetinakely
111.
Mihinam-bary aza misy latsaka.
niryna
112.
Fatra pitady izay tany tsy misy fasana ka sendra izay mihinana olona
niryna
113.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asaina manao tsy mety; noho ny tsy irahina, manao.
niryna
114.
Na maro aza ny vorona ny goaika no nihinana ny voanjo.
niryna
115.
voly voanjon-dRakaretsaka: ny an'ny tena tsy vita, ka ny an'olona no karetsahina
latina
116.
boka mihina-kitoza: ny fihinana no lavorary, fa ny fanalana kaka no ady mafana
latina
117.
Didimaso maro anaka, ka tsy mahita ny ef nihinana
latina
118.
Ilay banga manao solo-nify: afa-kenatra eo am-pihomehezana, fa latsa-dranomaso eo am-pihinanana
latina
119.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka, ary raha ketrahina, miboraka.
latina
120.
Tafitohina mandon-tavy ka merika ny andro
latina
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0175