Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hina
Hampiditra ohabolana
151.
Vely ampongan'ny Manendy, ny andahiny dobodobohina ny ambaviny kenakenaina.
jentilisa
152.
Fitia tokonana, tiana fa dikadikaina ( hitsakitsahina)
jentilisa
153.
Potsitr'ovin'Ankaratra, ka samy mihinana ny voapotsipotsiny
JMR
154.
Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy
JMR
155.
Tanin'andriana, tian-konenana, ka satan'andriana tsy arahina
McFy
156.
Banga mihinana voanjobory, any an-kibo vao manao kanety
JMR
157.
Aza manao tehina mialoha andriana na mitsako alohan'ny vazana
jentilisa
158.
Solafaka omen-tehina, potraka omen-kiraro
mandrindra
159.
ny trondro lehibe tsy mifampihinana
jentilisa
160.
Raha jerena, toa olon-kendry, tantely fiandry andriana ; kanjo nony dinidinihina, fanambonim-bary fiandry alika
hery
161.
Matin-kenamaso, ka mihinam-barim-boka
hery
162.
Omena mody voky, kanefa mangala-pihinana ihany
hery
163.
raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava, tain'akoho mahatafintohina.
jentilisa
164.
ny mitondra tehina mora fa ny mitondra tena sarotra.
jentilisa
165.
Noana tsy manan-kangatahina, voky tsy manan-kanolorana ny momba
jentilisa
166.
Boka mihinan-kitoza ny fihinana lavorary fa ny manala kaka no ady mafana
jentilisa
167.
Omena mody voky kanefa mangala-pihinana ihany
McFy
168.
Rafotsy be mihinam-boangory tokana, tapahana poritra, hanina malady lany
McFy
169.
Didi-maso maro anaka ka tsy mahita ny efa nihinana
McFy
170.
Aza atao fively amponga ny havana, ka ny iray ambaviny tambatambazana, ary ny iray andahiny hodobodohohina
hery
171.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona
hery
172.
Aza manao toy ny masoandro any atsinanana, ny avo ihany no itaingenana fa manaova toy ny masoandro any andrefana, izay mivoha varavarana tsidihina avokoa.
jentilisa
173.
Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana, na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
jentilisa
174.
Vava-kisoa misy sira ka tokinao hihinana azy!
jentilisa
175.
raha tohina ny aty marary ny afero
jentilisa
176.
Matin-kena-maso, ka mihinam-barim-boka.
lanto
177.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; ary raha ketrahina miboraka
hery
Voalohany
Mialoha
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0175