Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hina
Hampiditra ohabolana
151.
Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy
JMR
152.
Tanin'andriana, tian-konenana, ka satan'andriana tsy arahina
McFy
153.
Banga mihinana voanjobory, any an-kibo vao manao kanety
JMR
154.
Aza manao tehina mialoha andriana na mitsako alohan'ny vazana
jentilisa
155.
Solafaka omen-tehina, potraka omen-kiraro
mandrindra
156.
ny trondro lehibe tsy mifampihinana
jentilisa
157.
Raha jerena, toa olon-kendry, tantely fiandry andriana ; kanjo nony dinidinihina, fanambonim-bary fiandry alika
hery
158.
Matin-kenamaso, ka mihinam-barim-boka
hery
159.
Omena mody voky, kanefa mangala-pihinana ihany
hery
160.
raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava, tain'akoho mahatafintohina.
jentilisa
161.
ny mitondra tehina mora fa ny mitondra tena sarotra.
jentilisa
162.
Noana tsy manan-kangatahina, voky tsy manan-kanolorana ny momba
jentilisa
163.
Boka mihinan-kitoza ny fihinana lavorary fa ny manala kaka no ady mafana
jentilisa
164.
Omena mody voky kanefa mangala-pihinana ihany
McFy
165.
Rafotsy be mihinam-boangory tokana, tapahana poritra, hanina malady lany
McFy
166.
Didi-maso maro anaka ka tsy mahita ny efa nihinana
McFy
167.
Aza atao fively amponga ny havana, ka ny iray ambaviny tambatambazana, ary ny iray andahiny hodobodohohina
hery
168.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona
hery
169.
Aza manao toy ny masoandro any atsinanana, ny avo ihany no itaingenana fa manaova toy ny masoandro any andrefana, izay mivoha varavarana tsidihina avokoa.
jentilisa
170.
Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana, na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
jentilisa
171.
Vava-kisoa misy sira ka tokinao hihinana azy!
jentilisa
172.
raha tohina ny aty marary ny afero
jentilisa
173.
Matin-kena-maso, ka mihinam-barim-boka.
lanto
174.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; ary raha ketrahina miboraka
hery
Voalohany
Mialoha
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2052