Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe zana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
zana
Hampiditra ohabolana
91.
Njola maso tsara vady ka matahotra ny tia tazatazana
kiriah
92.
"Samy zanaka mpanefy ka tsy hifampidera taim-by"
mpoon
93.
Tia vady manompo rafozaña. OHABOLANA SAKALAVA
zandrikelytf
94.
Ny zana'adala hono tsy itsitsiana tsora-kazo
ionosaoly
95.
Aleo lozabe ahombiazana toy izay malemy tsy azo
niryna
96.
Rasazy tampo-pahaizana ka antitra indray vao mangarombody
Ratianakel
97.
Zanaka sy ray aman-dreny, tambazako izay mahafoy.
aivetinakely
98.
"Arahabarahabao ny mpandalo fa tsy fantatra ze ho rafozana"
Crionlas
99.
Aza mitsako alohan`ny vazana
josiah
100.
Tia randram-bao, ka bangon-drazana no ahilika.
aivetinakely
101.
Ombivavy terendronono, ny hafa razana no voky aloha.
aivetinakely
102.
Manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty na ny zanaky ny mpanefy ka tsy ho may
niryna
103.
Valala akaiky fahafatesana ka ny mianika bozaka sisa fomban-drazana.
aivetinakely
104.
Rafozan-tsarotiny ka ny zanaka no misolo vady isam-bolana.
aivetinakely
105.
Vitsika mifanoroka lava, tsy de fitiavana fa fomban-drazana.
aivetinakely
106.
Zanak'olona tsy vadina toa soa.
aivetinakely
107.
Ny amoizana ny tsy foy hananan-tiana.
aivetinakely
108.
Vadivao mifanena amin-drafozana, sahiran-tsaina ny fomba hiantsoana azy.
aivetinakely
109.
Fandrotrarana mandady anaty rano, fongory fa tsy fahitan-drazana.
aivetinakely
110.
Foza mifanena amin'ny oram-baranga, ny loko itovizana ihany fa ny raifi-batana no samihafa.
aivetinakely
111.
Manan-kasina ny tanindrazana ka mahasify raha amidy.
aivetinakely
112.
Mijaingijaingy tahaka ny rafozana voalatsa.
aivetinakely
113.
Vady notoloram-pahefà na, ka manitsa-boninahitry ny rafozana.
aivetinakely
114.
Aza atao vato antsindry hazana aho ha atoraka rehefa maloka andro.
aivetinakely
115.
Ny adalan'ny olona hihomehezana fa ny adalan'ny tena kosa tafian-damba
niryna
116.
Kabarin-tsaka, tso-drano no ifanomezana.
aivetinakely
117.
Afovoan-drafozana sy vady, hiteny manan-tsiny, hananatra tsy masin-teny.
aivetinakely
118.
Fosafosa mankarary vinanto, latsalatsa mampahory rafozana.
aivetinakely
119.
Ny fanantenà na hanam-be matetika no amoizana ny kely ampelan-tanana.
aivetinakely
120.
Masoandro mihiratra ny fahazazana, ka tsiaro mandra-maty.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171