Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
fanambadiana
Hampiditra ohabolana
91.
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady
latina
92.
tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha
latina
93.
aza tsy tia vady, fa tsy ny voalohany no vady, fa ny farany
latina
94.
aleo adala tena toy izay adala renianaka
latina
95.
aza mitsiriri-bady voky
latina
96.
toy ny reni-hao, ny vavy indray no malaza.
latina
97.
manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony, manambady ny fohy, mitahiry tapak'aponga, manambady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano
latina
98.
Ny tokantrano tsy ahahaka.
Swin
99.
Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
hery
100.
Vadin-joky kilalaon-jandry
lotus
101.
ny anambadi-kiadanana
caloh
102.
Manambady ny tsara tsiriritindry zalahy, manambady ny ratsy ihomehezandry zalahy
beloha
103.
Izay maharitra vady handriana
razooz
104.
Manambady traky nify atao aloha mitsiky amin'olona, atao aoriana sao hanaikitra ny tena.
naritsimba
105.
Tonga tsy miarahaba naman'ny tezitra lasa tsy manao veloma naman'ny sosotra
doum
106.
anambadian-kisarahana
JMR
107.
tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy tahaka ny torimaso.
jentilisa
108.
Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
JMR
109.
Ny adin-kabary toy ny dontany sy kapotandroka
jentilisa
110.
Fozalahy natakalo fozavavy ny mpanambady
JMR
111.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy : raha vao tia kasokasoka, rehefa tonta tsy hilaozandromoromo
mandrindra
112.
Lamba ny fanambadiana ka raha vao dia rehareha
mandrindra
113.
Tsy ampy ketsa mivezivezy, ny very ondry manara-morona.
jentilisa
114.
Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa
JMR
115.
foza lahy atakalo foza vavy
jentilisa
116.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
Voalohany
Mialoha
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0294