Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
fanambadiana
Hampiditra ohabolana
91.
manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony, manambady ny fohy, mitahiry tapak'aponga, manambady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano
latina
92.
Ny tokantrano tsy ahahaka.
Swin
93.
Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
hery
94.
Vadin-joky kilalaon-jandry
lotus
95.
ny anambadi-kiadanana
caloh
96.
Manambady ny tsara tsiriritindry zalahy, manambady ny ratsy ihomehezandry zalahy
beloha
97.
Izay maharitra vady handriana
razooz
98.
Manambady traky nify atao aloha mitsiky amin'olona, atao aoriana sao hanaikitra ny tena.
naritsimba
99.
Tonga tsy miarahaba naman'ny tezitra lasa tsy manao veloma naman'ny sosotra
doum
100.
anambadian-kisarahana
JMR
101.
tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy tahaka ny torimaso.
jentilisa
102.
Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
JMR
103.
Fozalahy natakalo fozavavy ny mpanambady
JMR
104.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy : raha vao tia kasokasoka, rehefa tonta tsy hilaozandromoromo
mandrindra
105.
Lamba ny fanambadiana ka raha vao dia rehareha
mandrindra
106.
Tsy ampy ketsa mivezivezy, ny very ondry manara-morona.
jentilisa
107.
Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa
JMR
108.
foza lahy atakalo foza vavy
jentilisa
109.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
Voalohany
Mialoha
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0145