Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe aman
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
aman
Hampiditra ohabolana
211.
Ny vola Ramangakatsahina, ny aina Ramangatahiana.
jefra
212.
Toy ny soabakaka miaraka aman-tsahahona, ka ny lehibe no adala
zouzou
213.
Boka mangata-pitahina, Andriamanitra ivavahana indray no ambanana totohondry.
panjakely
214.
Nanaonao foana ohatra an'Andriamanitra nanao voay
hery
215.
Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andriko ihany.
sejianis
216.
Ataovy maro ny namana fa iray ihany no itokiso
doum
217.
Tonga tsy miarahaba naman'ny tezitra lasa tsy manao veloma naman'ny sosotra
doum
218.
Aza manao tahaka an'Ikopa, tonga namana vao mavomavo
doum
219.
Andriamanitra tsy andrinareo andrinay ihany
doum
220.
Tsy ny namanao no hifaninanao fa ny tsara vitanao anio
doum
221.
FIkasana an'olombelona fa ny didy an'Andriamanitra
doum
222.
Lazao ahy ny namanao dia lazaiko anao ny toetranao
doum
223.
Andriamanitra no nanome fa i Balita no tsy ambinina
doum
224.
Manalasala toa lava nify mamangy fahoriana, atao eo aloha toa mananihany, atao any aoriana ohatry ny hanaikitra
Chuan
225.
sokina ambody voaroy: alain-tsy azo, avela mahamanina.
jentilisa
226.
Tsy misy manaha-bato aman-kazo fa manahaka ny olona nihaviany avy.
jentilisa
227.
Ny ray aman-dreny no masoandro amam-bolana ka lolohavina eo an-tampon'ny loha
JMR
228.
Rafotsibe nita rano izay mahasoa ataon'Andriamanitra
zanita
229.
Masak'ila otran'ny ramanonaka
sasa
230.
hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy
palince
231.
Izay voky no maharaka ny namany
JMR
232.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana
JMR
233.
Nalain-kanirina vao namandravandra
JMR
234.
Ny lasa tsy manao veloma naman'ny tezitra
JMR
235.
Mamantan-tany foana toy ny havandra tonga ririnina
McFy
236.
ny dobo tsy hita no mahamanina
JMR
237.
Mamanta-tany foana toy ny havandra tonga ririnina
mandrindra
238.
Ny anadray aman-dreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina fa raha mahavoa mahafaty
mandrindra
239.
Ny omby mahia tsy lelafin'ny namany
mandrindra
240.
Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro fa ny olombelona no be siasia
jentilisa
Voalohany
Mialoha
6
7
8
9
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0214