Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe An_tany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
An_tany
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fanambadiana toy ny lalan-tany, fahavaratra tsy ialan'ny fotaka, main-tany misy vovoka.
Angonoka
2.
Be fandrahonana ohatra ny ampanga, mbola any an-tany dia mamonkona totohondry!
hery
3.
Ny Fahasambarana Eto An_tany Dia Mandalo Agnatine Fotoana Vitsy
Avoss
4.
Solika raraka an-tany, tsy tonga mba hamelona fa hamono.
dr
5.
Amboa mivahiny an-tany tsy fantatra, tonga tsy misy mpitsena, lasa tsy misy mpanatitra, atoandro tsy misy mpangoraka, harivariva misy mitoraka.
oely89
6.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany naniriany
yveratsimb
7.
Aleo manontanitany foana hihomehezana, toy izay manaonao foana hitezerana
yveratsimb
8.
Trandraka mivelavina an-tany mena, volon-tany no arahina
niryna
9.
Tsy fidin'ny angady ny hitrandraka ny andrian-tany, fa asesiky ny zara raharaha.
soanja
10.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany aniriana.
soanja
11.
Mamatan-tany foana toy ny havandra ririnina.
soanja
12.
Vongan-tany nentin-driaka, teo ihany fa levona.
soanja
13.
Maika handroso avara-patana ka ny fomban-tany hadino.
aivetinakely
14.
Aza mirehareha manan-tany fa rehefa mody ianao, izy ihany no hitelina.
aivetinakely
15.
Aleo manontanitany foana hihomehezana toy izay manaon-tao foana hanala-baraka.
sylvoalias
16.
Tsy misy boribory toy ny tain'ondry fa raha latsaka an-tany misy kitsambony.
niryna
17.
bokalahy lavo an-tany mena, ka tafarina vao mingoso anabavy
latina
18.
Tsy an-tany tsy an-kitsely
roscarb
19.
Valala an-tany mena, na dia tapaka elatra aza, tsy lany paika
zouzou
20.
Trandraka milevina an-tany mena, volon-tany no arahina
lolobainina
21.
Valala an-tany mena na tapak'elatra aza tsy lany pika.
mandrindra
22.
Aleo manotanitany fona toy izay miteniteny foana
doum
23.
Mamantan-tany foana toy ny havandra tonga ririnina
McFy
24.
ny fo mifankatia no paradisan'tany
ramuscle
25.
Aleo manontanitany foana hihomehezana toy izay manaonao foana hotezerana
McFy
26.
Anaran-tany no Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
ftma
27.
Biriky maty rirany ka miverina ho bongan-tany
vetsoko
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0209