Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Mahay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Mahay
Hampiditra ohabolana
1.
Izay mahay mihaino no mahay miteny
hery
2.
Tsy misy mahay milatro tahaka ny dokotra, fa rehefa taitra mirifatra ihany
Mbolahasy
3.
Mpianatra samy mahay , ka mifanome formule diso
kabuto
4.
Mahay roa hoatra ny lelan'omby,ka sandy any ambava no any ambody
layaunne
5.
Ny mahay vava tsisy hery
gerardjapon2
6.
Ny valala misy, ny mpilaza koa mahay
nalsonrazakariasa2015
7.
Izay manan-tsira,mahay mahandro.
Ny_Arlinah
8.
"Tsy misy mahay maka fofo-pofona mihoatra ny amboa fa rehefa tojo fofo-kelika mitsoaka matanjaka"
vonjygildas
9.
Manao azy ho toy ilay vinanto mahay mandrafitra,ka mitondra hazo mivilana avy any an'ala.
gui.razafindrazaka
10.
Mpandihy lava volo-kelika, mahay manan-tsiny tsy mahay manan-tsiny.
tahinahasina32
11.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
12.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny hilaza azy
OZ16
13.
Fotsy volo tsy mahay mikabary ka mipetraka atsangan'ny olona, mitsangana apetraky ny olona.
raonimanana
14.
Izay tsy mahay sobika mahay fatram bary
jonathan2015
15.
Ka manao tana mahay vata
Longonao
16.
Tsa ny toaka ro mahere fa agnay betsileo ro tsa mahay misotro...
sylvoalias
17.
Tsy mety raha ny ateran-kira indray no milaza ho tsy mahay mihira.
niryna
18.
Te-hilaza ka tsy mahay;te-hiteny ka bada lela.
niryna
19.
Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan'aina, raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
aivetinakely
20.
Ody valalan'ny tsy mahay, ka voky dia miala
yveratsimb
21.
Raha baka mahay manorirana ianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana
yveratsimb
22.
Ny mahay rano ihany no maty an-drano
yveratsimb
23.
Aza manao sotrobe lava tango, mahay atsy, mahay aroa
yveratsimb
24.
Raha mahay mitaingin’ampondra, fa raha tsy mahay mitangina ampombo
yveratsimb
25.
Raha hitsangan-tsy mahay, aleo misonenika an-toerana
yveratsimb
26.
Mpatsaka mahay mikabary, mahay ihany fa ambanin'ny siny
yveratsimb
27.
Manan-tsira ka mahay mahandro.
niryna
28.
Tsara ny mahay zavatra iray noho ny mahaihay zavatra maromaro.
niryna
29.
Aza mifampidera vady mahay mandihy, fa aoka ny sandry no hitsara azy.
hajaxy
30.
sitry mahay vato, osy mahay harana.
itaramasoandro
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0753