Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Malaza
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Malaza
Hampiditra ohabolana
1.
Volom-bodin'akoholahy: malaza tsara ihany fa aorian'ny namany.
aivetinakely
2.
Tehatehaka ny an'i Ambodisiny fa Ambohimalaza no tompon'ny gora
Niankohofana
3.
Sisi-hazon' Antanamalaza, mahitsy ihany fa tonotononana; sisi-hazon'Antananarivo, sady soa no arahim-bankona.
soanja
4.
Ovin'Antsirabe, malaza amin'ny fitsofana azy ihany.
aivetinakely
5.
Malaza tsy ihinanana tahaka ny lovian-tsahona.
aivetinakely
6.
Malaza ho vy nefa tsy mahafolaka zozoro.
ontsy
7.
Malaza ho setroka nefa tsy mihoa-bovonana !
ontsy
8.
Malaza ho zanak'andriana nefa tsy mbola niaka-drova.
ontsy
9.
Ikopa no renirano malaza, ampian'ny tatatra arivo saha, ny foto-kazo no midoroboka, ny sampany sy ny rantsany no misandrahaka.
aivetinakely
10.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona.
ilanto
11.
Malaza tsy hihinana toy ny viliantsahona
niryna
12.
Malaza tsy hinanana toy ny lovian-tsahona
rtol
13.
Malaza avy any namehana ka tsy nivimbina voasary ho an-jaza
rtol
14.
Malaza tsy ihinanana tahaka ny lovian-tsahona
aivetinakely
15.
toy ny reni-hao, ny vavy indray no malaza.
latina
16.
Anjeva no matavy omby ka ambohimalaza no lafo kitay
rakotomahenina76
17.
Volom-bodin'akoholahy malaza: tsara ihany fa any ivohon'ny namany.
soanja
18.
Malaza tsy hihinanana tahaka ny vilian-tsahona
doum
19.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona
hery
20.
Malaza ho avy any Namehana ka tsy mitondra voasary ho an-jaza
jentilisa
21.
Malaza ho lahy ka tsy mandry an-efitra!
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0592