Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe antra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
antra
Hampiditra ohabolana
1.
Sotro ranon'ny mahantra,tsy hetaheta fa fanampi-tsakafo "Zavona Rakoto"
ZavonaRakoto
2.
Manalasala toy ny kamboty maditra, tiavina maniratsira ankalaina tsy misy mpihantra
dadafara_kely
3.
Aza ny fahantrako no jerena,fa ny toe-tsaina hananako.
Ny_Arlinah
4.
"Ny Manankarena Mety Mbola Hijaly,ary Ny Mahantra Mety Mbola Hifaly"
avoss Jah
5.
Rava tokantrano rava harena.
aivetinakely
6.
Mahantra raha samy olombelona toy ny malagasy, velona ianjadian’ny fahoriana, maty very taolam-balo.
Rakotoaly
7.
Manisa be tsy ho an' ny tena ohatra ny vady tokantrano mason' ny mpanankarena
yveratsimb
8.
Maka miadana ny kamo ka ny fahantrana no miandry azy
niryna
9.
Izay vahiny tonga miantrano ao aminao dia hevero toy ny noana sy reraka ary mangatsiaka ka karakarao mifandraika amin'izany izy na izy ireo.
soanja
10.
sotro ranon'ny mahantra tsy ala hetaheta fa fanampi-tsakafo
bemena
11.
Mahantra tsy misy mpangoraka na mikapa aza misy mitoraka
Ratianakel
12.
Mahantra ny tia irery.
aivetinakely
13.
Raha ianao hiditra amin'i Mangamalefaka, izaho hiantrano amin'ny Tsimiolakolaka.
aivetinakely
14.
Na manankarena na mahantra dia mitovy ihany ny namorona azy
niryna
15.
Ny trozona foana no atao fanoharana, fa ny olo-tsy miantra de mihoatra ny trozona.
aivetinakely
16.
Miketrika hoditra ka mitsimbina ny mahantra.
aivetinakely
17.
Siakam-behivavy ka manafina ny tsy misy ao antrano.
aivetinakely
18.
Lehilahy mpiasa be ka soloim-bava antrano, manaiky ny tsy rariny eo anatrehan'ny fitsarĂ na.
aivetinakely
19.
Manaiki-droa lany tahaka ny dinta, ka maty mora tsy ananan'olona antra.
aivetinakely
20.
Ny antratra tsy lavo ka hoe alao rain'ilaha
sylvoalias
21.
Basin'ariary fito hoe ka tsy tian'ny manana kanefa tsy takatrin'ny mahantra.
sylvoalias
22.
Aza manao mpamosavy malemy ka ny ao antrano ihany no veleziny!
sylvoalias
23.
Mahantra te hotafita fianarana, koa ny vaky boky no sisa ianteherana.
ilanto
24.
Izay manome ny mahantra, mampindrana an'Andriamanitra.
aivetinakely
25.
Ataovy sahala amin'ny tokantranon-dandy, ao anatiny vao manatevina.
aivetinakely
26.
Mahantra kosa Ramomba, fa mihary ho an-janan-drafy.
ikalamako
27.
Ny tokantrano tsy ary mitovy
latina
28.
Ny boka indray no mahantra: velona tsy iray trano, maty tsy iray fasana
latina
29.
Sambatra kosa Raherana, fa manan-kierana, sambatra Razozoro, fa manan-kijoroana, fa mahantra kosa Ratatamo: velona manao ranomaso an-tenda, maty manao ranomaso havozona.
latina
30.
Ny tokantrano tsy ahahaka.
Swin
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0301