Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe enina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
enina
Hampiditra ohabolana
1.
Mibaribary tsy azo afenina toy ny tabory an-kandrina
RIJA08
2.
Tranoben'Antananarivo ka izay mahavita aloha no manenina.
lraharimalala27
3.
Raha tsy te-hanenina na hitomany,manaova ny marina hatrany.
midrou
4.
Aleo manenina tsy nahazo toy izay manenina nahazo.
Lemonja
5.
Toko tapaka,vilany mitongilana;izay tsy mety arenina.
Topher
6.
Mpifankatia mifanao ratsy ka izay mahavita be manenina
delemezy1
7.
Ahoana izany? hoy Ramarenina, kanjo tsy mba nandre izy.
BEDOGAIGY
8.
Afa-nenina hoatry ny manabady momba manala ratsiaina.
BEDOGAIGY
9.
Afa-nenina hatrany an' ala lava, ka hatrany an' ala fohy.
BEDOGAIGY
10.
Tranoben'Antananarivo ka izay vita aloha no manenina
Tsiky84
11.
Ny ditra mameno tanana fa ny nenina mamarina an-kady
ravelobe
12.
Sepotry ny nataony toy ny totozikely nangetotra an-davenina
Andokely
13.
Trano ben 'Antananarivo ka izay mahavita aloha manenina
chantrire
14.
Mietaketaka foana ny aketa, mirisarisa foana ny adrisa, fa tsy enina anay mitratraingo
yveratsimb
15.
Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina
yveratsimb
16.
Rafotsibe maty andro nandroana: sady tsy enina ny aty no tsy enina ny any Ambondrombe
yveratsimb
17.
Tsy vorombazaha tsy enina akory aho, ka hitelim-bato madinika.
soanja
18.
Basy atifi-kavana ka tsy afenina fa arangaranga
kiriah
19.
Tanimena mirehitra ka tsy takona afenina.
soanja
20.
Tsintsina mitondra vonin-tenina ka izay eran'ny vava no entina.
soanja
21.
Aleo vandana imaso toa izay kary afenina
niryna
22.
manahirana tahaka ny labozia amidy mafana andro afenina tsy hitan'ny olona, atranga miempon'ny hafanana
bobone
23.
Manary vady tanora, tsy kakerin'ny nenina fotsiny fa mandraiki-marary isaky ny mahita azy.
aivetinakely
24.
Mpamosavy tra-nenina fa ny vady nanafenan-javatra no lasa nody mandry aloha.
aivetinakely
25.
Ny olona mety manahy izay teneninao fa mino kosa izy izay ataonao
niryna
26.
Lehilahy maka vady zaza kambana ka izay maka aloha no manenina
aivetinakely
27.
Bibilava fahaenina mitera-pahafito ka manatombo refy noho ny reniny
soaharytoliary
28.
Ny fanambadiana fihafiana ; izay tofoka aloha no kaikeri-nenina.
aivetinakely
29.
Tsy misy marenina noho ireo izay tsy miheno
niryna
30.
Tao-tranon'Antanànarivo, koa izay mahavita aloha no manenina.
ilanto
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0174