Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hafa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hafa
Hampiditra ohabolana
1.
Tsipak`ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina
RIJA08
2.
Hafa mihitsy rehefa Tsiky sy Hehy no tazana eny amin'ny endrik'ise!
AsaphMahane
3.
Enga anie ny devoly izay mitady handrebireby anareo, ho tahaka ny bararata amoron-drano, ka hangovitra mandram-pahafatiny
Azrael666
4.
Mpamosavy milaza tia fahavalony, hay mila tamby fahafatesana
ram20
5.
Ny fahavoazana dia mahafaoka henatra
rado_albert
6.
Torabato avy any andanitra ny fahafatesana , ka tsy fantatra izay ho latsahany.
Benjamadagasikara
7.
Ny teny toy ny toakan-jaodahy, kely tsy mahafa-po be mamoaka ny aty
lehsabotsy
8.
Manebaka ny hafa ho voretra hay zatra mpanao sasa-piso
herrand_miri
9.
Izay mahafaty ka aretina
angouz
10.
Manary vady tanora ka manome zara ny hafa
OZ16
11.
Zavatra hahafaty tsy mba ambara vady.
seul110
12.
Adala ny manina ka ny tompo-bady no hafarana.
BEDOGAIGY
13.
Afa-draorao toy ny tany dilatra nahafaham-bato.
BEDOGAIGY
14.
Aleo maty anio toy izay maty androany,ny fahafatesana tsy heloka fa jarahetra
ODILON
15.
Andriamanitra tsy andrin'ny hafa fa andriko ihany
dagomainty
16.
Jiolahy nahafaty mpamosavy,ka matin'ny olon-dratsy ny ny olon-tsy vanona.
FENOSOA2
17.
Na iza hianao na iza dia tsy misy mahasamihafa amin'ny hafa
niryna
18.
Tsy voavonjin'ny hafa akory fa ny havana ihany no hala-mahatratra
yveratsimb
19.
Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly
yveratsimb
20.
Ny Havana aza mba hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana
yveratsimb
21.
Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa, ny sakafon'ny sasany toa poizina mifono ho an'ny hafa
yveratsimb
22.
Ny fahafatesana lalan-kiraisana ihany fa tombon-dalana no an'ny lasa
yveratsimb
23.
Ny anatry ny ray toy ny tsipak'ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina
yveratsimb
24.
Hafahafa fitia sifotra ka ny tamenany indray no ariana
yveratsimb
25.
Misao-bady tanora, ka manome zara ho an'ny hafa
yveratsimb
26.
Amin'ny fihainoanao ny hafa dia efa mankahery azy hianao .
niryna
27.
fihavin'alika: tonga tsy mahafaly lasa tsy maha-tezitra
nalaina
28.
Aza ny havana no asian-dratsy; fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.
niryna
29.
Aza midoka-tena ,aleo ny hafa no hiteny izany.
niryna
30.
Mpangalatra nahafaty Mpamosavy ka matin'olon-dratsy ny olon-tsy vanona
RAINIJE
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0184