Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant izay
Liste des proverbes, contenant
izay
Insérer un proverbe
31.
Aza miveraka fa asio izay miahaka
bolihfriends
32.
Aleo manenina tsy nahazo toy izay manenina nahazo.
Lemonja
33.
Aleo mizara toy izay omena
randimbya
34.
Toko tapaka,vilany mitongilana;izay tsy mety arenina.
Topher
35.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
36.
Izay mahafaty ka aretina
angouz
37.
Izay mitovy ro milambagna
OZ16
38.
Izay to fo mpamosavy
OZ16
39.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy ka izay mandresy tsy hobiana ary izay resy tsy akoraina
OZ16
40.
Foto-kazo sy vorona ka izay tia manatona
OZ16
41.
Aza mba toy ny akoho fahanana: izay anipazana hanina endrehina daholo
ginyellow8
42.
Aleo maty olo-malaina toy izay vaky vilany mianefitra
landryjery
43.
Tanindrazan'ilay jamba , ka izay diavin'ny tongotra tanindrazana avokoa
eulalie15
44.
Mpifankatia mifanao ratsy ka izay mahavita be manenina
delemezy1
45.
aleo very solonify toy izay very solomaso,aleo very vady toy izay very zanaka
Hasnfan
46.
Izay manenjika ny osa mbola henjehin'ny mahery
jock
47.
Aza manao masoandro avy any atsinanana : ny avo ihany no taingenana ; fa manaova masoandro avy andrefana : izay mivoha idirana avokoa
jock
48.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay tsy mitandrina vaky loha.
Ligo
49.
Tolona sy ady ny fiainana ka zara ho an´izay manam- paniriana handresy
tovorandria
50.
Izay tsy mahay sobika mahay fatram bary
jonathan2015
51.
Aleo mihaona amin'ny mpamosavy toy izay mihaona amin'ny mpandainga
mychael
52.
Adrisa tsy ampoky ny ahitra angaha aho no hifiaka izay antsoro maina.
BEDOGAIGY
53.
Adin-jamba ka izay vonona no afitsoka.
BEDOGAIGY
54.
Adaladala manam-bety, ka izay rehetra hita, venty avokoa.
BEDOGAIGY
55.
aleo tantsaha mijoro, toy izay mpanankarena mandohalika
Maherifo
56.
Tranoben'Antananarivo ka izay vita aloha no manenina
Tsiky84
57.
vato atora-pody ka tsy matahotra izay vary hihintsana
vonynive
58.
Aleo maty anio toy izay maty androany,ny fahafatesana tsy heloka fa jarahetra
ODILON
59.
Aleo kijeja mifampikasoka amin'ahitra toy izay adrisa manampatra elatra mandao.
aivetinakely
60.
aleo manda tsy handeha toy izay manaiky nefa tsy ho lasa
vonynive
1
2
3
4
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167