Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant izay
Liste des proverbes, contenant
izay
Insérer un proverbe
91.
Lon-damba sy fahenim-bary ; ka izay maharitra ela dia herinandro.
yveratsimb
92.
Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha.
yveratsimb
93.
Ny fihavanana toa fasambazimba, ka izay mandrava aloha no tapak'ila
yveratsimb
94.
Ny teny toy ny antsy, izay maranitra no adidy.
aivetinakely
95.
Izay fatra-panova vady rava harena.
aivetinakely
96.
Aleo manambady fanahy toy izay manambady tarehy.
aivetinakely
97.
Tery omby ririnina ka atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany
yveratsimb
98.
Hazakazaka ambany farafara ka samy manala izay ho afany
yveratsimb
99.
Izay fatra-pandà ihany no manaiky
yveratsimb
100.
Izay fatra-piahiahy mpamosavy
yveratsimb
101.
Izay sahy maty no mifono lambamena
yveratsimb
102.
Aleo manontanitany foana hihomehezana, toy izay manaonao foana hitezerana
yveratsimb
103.
Ny teny toy ny vato , izay maivana no atoraka.
aivetinakely
104.
izay iray vatsy, iray aina
yveratsimb
105.
Akoho tsy naneno ohatr'izay lanin'ny kary
yveratsimb
106.
Ny fahazarana no lasa toetra ka fikiro izay fahazarana tsara.
niryna
107.
Izay mamafy rivotra mijinja ny fofony.
Laaris
108.
Andriamanitra tsy manontany izay mety ho vitanao na tsy vitanao fa kosa mijery ny fahavononao Izy.
niryna
109.
Ny toetranao sisa no tavela rehefa very avokoa izay maha hianao anao.
niryna
110.
Izay ataonao rehefa tsy misy mpijery no tena ahalalana ny maha hianao anao.
niryna
111.
Ny fihavanana hono toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava azy mialoha no kely ila.
GEHTRIVAC
112.
la engao aho ho terake amany hoy ny tsaboketsa, toy izay zaho tsy hitsaboky
DEDAKE
113.
Ny ho avy dia ho an'ireo izay efa namisavisa sy nieritreritra izany
niryna
114.
Toy ny sakay ao anaty tavoahangy ny fiainana,izay nohaninao anio no havoaka rahampitso.
niryna
115.
izay manoro làlana mahitsy, mamindra aina.
itaramasoandro
116.
ny saina toy ny havitra: koa raha tsotra loatra, tsy mitondra; ary raha melo-doatra, mipaoka izay tsy hopaohina.
itaramasoandro
117.
aza manao masoandro avy atsinana ka ny avo ihany no taingenana; fa manaova masoandro avy andrefana ka izay mivoha tsidihana avokoa.
itaramasoandro
118.
Boka mitaingindakana; izay itodiany no iampitàna
aivetinakely
119.
fanambadiam-boalavo, ka Samy mikepoka izay azony
mpikabary
120.
Izay manjo vady,,manjo tena
niryna
First
Previous
2
3
4
5
6
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174