Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe malahelo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
malahelo
Hampiditra ohabolana
1.
Bongo maso misoron`afo ka tsy fantatra na lanin`ny setroka na malahelo
RIJA08
2.
Aza malahelo vaky vilany fa manakaiky an ' Ampanataovana
phales
3.
Aza malahelo voalavo maty fa mbola be ny any an-tsaha
OZ16
4.
Malahelo ,lasa fisainana , lany hevitra toy voangory mijery zaza mangery ambony vato......!!! :-))
sylvoalias
5.
Aza malahelo diso levenana,fa ny faty mbola ho be
FENOSOA2
6.
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory ; fa izay mitapi-maso hahazo ozona be
yveratsimb
7.
Mpisakaiza amim-bazimba malahelo, ka ny akoholahy lany, ny fitahiana tsy misy.
aivetinakely
8.
Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo, ary jiolahy manan-trano ka sarotra atao olon-dratsy
yveratsimb
9.
Mivahiny amin-kava-malahelo, ka saron'afo no hita.
niryna
10.
Tsy mahaleo ny tarehy ratsiko aza, dia tsy maintsy malahelo ny entan-kitaiko.
soanja
11.
Raha malahelo, mitrakà hijery masoandro, raha kivy mandehàna mandinika ny volana.
aivetinakely
12.
Kibo nitondra, malahelo amin'ny zavabitika indrindra.
aivetinakely
13.
Ny sola malahelo tsy mba Rangahy.
kanto1
14.
Trano bongo misy ronono ka sarotra ny atao hoe malahelo.
sylvoalias
15.
Tsy mba hanan-java-mahory izay manome ny malahelo
niryna
16.
Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo
niryna
17.
Trano-bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo
niryna
18.
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory;Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be.
niryna
19.
Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo.
aivetinakely
20.
Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina.Ary omena ny rariny ny ory sy ny malahelo.
niryna
21.
Trano bongo misy ronono toa sarotra atao malahelo
anahely
22.
Aza malahelo maty voalavo, fa ny any an-tsaha mbola be ny ho avy.
aivetinakely
23.
Tsy misy malahelo tahaka ny maty vady fa rehefa manitsaka afo, mihinjaka ihany.
aivetinakely
24.
Ny hava-malahelo aza mba atao toy ny tsikirity momba fody : tsy tompon-dia fa mpanaraka.
ikalamako
25.
Fihavanan-takatra, faly miara-mitokàka, malahelo miara-mitokiky
aivetinakely
26.
Faly raha tonga ny rano fanala kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo ka misy mpanarina
latina
27.
Misakaiza amim-Bazimba malahelo, ka ny akoholahy lany, ny fitahiana tsy misy
latina
28.
AZA MALAHELO DISO LEVENANA FA MBOLA HO MARO NY MARARY
Paska
29.
Ka manao iano resy an-dômy, ka malahelon-kany
roscarb
30.
Ka mody malahelo manahaky vinanto mandevin-drafoza
roscarb
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0445