Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe malemy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
malemy
Hampiditra ohabolana
1.
Trafon-kena ambony ravina, ny manindry malemy, ny tsindriana malemy
hery
2.
Mpamosavy malemy ka ny ao an_trano indray no haripaka
MATOKYAH
3.
teny malemy mahamora fihavanana
yveratsimb
4.
Aza manao mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no haripaka
ravomahandry
5.
Toy misy ondana malemy ny fisainana tsy misy ahiahy.
niryna
6.
Mangahazo mangidy malemy, ka hanina amin'ny lemim-panahiny.
soanja
7.
Sahombora mitaingina harefo, ka mifanindry samy malemy.
soanja
8.
Fihavanan-dandy ka ny madilana tsy maito ary ny malemy tsy tapaka.
soanja
9.
Aleo lozabe ahombiazana toy izay malemy tsy azo
niryna
10.
ataovy toy ny sira ny fitondrana havana, mahery tsy mahafola-nify, malemy misy hitelemana fa ny havana no lelafin-katelina
bobone
11.
Lambolahy nandia hosy, manitsaka ny efa malemy
amson
12.
Mangahazo mangidy malemy ka hanina amin'ny lemim-panahiny
niryna
13.
Aza manao toto vomangan-dRangahy ka ny malemy ihany no velezina
niryna
14.
Ny lambo mena hena fa matanjaka, ny kisoa madio hena fa malemy modaka
aivetinakely
15.
Aza manao mpamosavy malemy ka ny ao antrano ihany no veleziny!
sylvoalias
16.
Izy lahy sady mahery, fa izaho vavy sady malemy
niryna
17.
Aza manao toto vomangan-dRangahy, ka ny malemy ihany no velezina
latina
18.
Izay mahavangivangy tian-kavana, ny malemy fanahy tratra am-parany.
latina
19.
aza manao tokim-bokindy, ka ny molony malemy indray no miandry tanana
miara
20.
Malemy tsy afehy
roscarb
21.
Mpamosavy malemy lohalika ka ny ao antrano ihany no asina
doum
22.
mangahazo malemy; mangidy atelina ka ho hanina amin'ny halemem-panahy.
RfandresenaA
23.
Malemy tsy azo hoatran'ny tay
JMR
24.
Mpamosavy malemy ka ny an-trano ihany no asiana
JMR
25.
Aza mitady tany malemy hanorenam-pangady
hery
26.
Ny teny malemy mahamora harena
hery
27.
Molotra sy nify, izay malemy fanahy tratra am-parany
JMR
28.
Ny teny malemy maha mora harena
McFy
29.
Ny teny malemy mahamora harena
ftma
30.
Izay mahavangivangy tian-kavana; ny malemy fanahy tratra am-parany
Fanja1
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0477