Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe manome
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
manome
Hampiditra ohabolana
1.
Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny sasany.
ndrina56Oha
2.
Manary vady tanora , manome ny tsy manana
aivetinakely
3.
Manary vady tanora ka manome zara ny hafa
OZ16
4.
Raha manome raiso, Raha mikapoka na manaikitra kosa andosiro...! (:-))
sylvoalias
5.
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory ; fa izay mitapi-maso hahazo ozona be
yveratsimb
6.
Misao-bady tanora, ka manome zara ho an'ny hafa
yveratsimb
7.
Ataovy toy ny toetr'andro ka na iza manome tsiny dia tsy miova izy.
niryna
8.
Ny ho avy dia manome tahotra ireo izay mbola miaina amin'ny lasany
niryna
9.
Ondry lahy diso ketsa, ka izay sahy manome lasiventy.
soanja
10.
Tsy misy manome hevitra tonga lafatra raha tsy ny tenanao ihany
niryna
11.
Ny antitra dia manome toro-anatra tsara raha toa ka tsy mampiseho ny fahazaran-dratsiny intsony
niryna
12.
Aza manome toky tsy ho tanterahina fa mampihena ny fatoram-pihavanana.
aivetinakely
13.
Manary vady tanora manome zara ho an'ny sasany.
aivetinakely
14.
Ny krismasy izay fahatsiarovana ilay nahaterahan'ny Mpanjakan'ny fandriampahalemana ary manome basy kilalao ho an'ny ankizy
niryna
15.
Vato roa mifanila, ny lehibe tsy manome toerana, ny kely tsy mangataka afa-mangataka.
aivetinakely
16.
Mpanihika tsy misalaka, manome lavaka ho an'ny pirina.
01
17.
Ny volana manakona masoandro no miteraka aloka sy haizina, fa ny masoandro be lohataona no manome hazavàna ka tsy manan-kasosorana amin'olona.
aivetinakely
18.
Tsy mba hanan-java-mahory izay manome ny malahelo
niryna
19.
Ny tsorakazo sy ny hanatra no manome fahendrena
niryna
20.
Ny zanaka hendry mahafaly ny ray, fa ny zanaka adala manome halahelo ny reny
niryna
21.
Hazo nambolena antampotanety, koa sady manome aloka no manome loharano.
ilanto
22.
Andriamanitra manome, fa Ibalita no tsy nambinina
ilanto
23.
Ny lela dia maranitra mandratra na malefaka manome tso-drano.
niryna
24.
misara-bady tanora manome zara ho an'ny sasany
220776
25.
Izay manome ny mahantra, mampindrana an'Andriamanitra.
aivetinakely
26.
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory;Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be.
niryna
27.
Misao-bady tanora ka manome zara ny hafa
ikalamako
28.
Ny manary vady tanora manome ny tsy manana
aivetinakely
29.
didimaso miantsena, ka manome sakafo ny lalitra
latina
30.
Misaotra vady tanora ka manome zara ho an'ny sasany
tovolahy007
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1273