Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maty
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maty
Hampiditra ohabolana
1.
Mpivaro-drano tratr'orana sady vizaka no maty antoka.
aivetinakely
2.
Rehefa tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty
aivetinakely
3.
akanga mitindroka ambony vato, maty ny tendany.
jonyrapida
4.
Velona iray fiangonana; maty iray paradisa
leonniemada88
5.
velona iray trano,maty iray fasana
cyberzoom502
6.
aleo maty ,toy izay mijaly
Avoss
7.
Ny velona arahim-potsibary ,fa ny maty arahin-damba mena.
Benjamadagasikara
8.
"ilatsaham-baratra eo am-pangerena, ka sady maty no mihosin-tay"
tenymamy
9.
Aleo Maty Tampoka, Toy Izay Maty novonoina.
avoss Jah
10.
aleo maty amin'ny fahamarinana ,toy izay maty amin'ny fahadisoana.
avoss Jah
11.
Aleo Maty, Toy Izay Alan'olona
avoss Jah
12.
Raha maty aho, matesa rahavako; raha maty rahavako, matesa ny omby.
ramandimby.ceres1
13.
Fadio ny manao fatin-dalitra, ka maty mitety ny ratsy; fa manaova fatin-tantely, ka maty mamela mamy ho an'ny rehetra.
randriajj
14.
Fizaran-kena maty jiro, vintana sisa no andrasana.
Lahimatoa
15.
Mpanjaka mahihitra,maty alohan'ny andevony
vizir
16.
manakarena mahihatra tsy ampy tsoka ka maty alohan`ny ombiny
luc1407fanomezana2
17.
Aza malahelo voalavo maty fa mbola be ny any an-tsaha
OZ16
18.
Raha maty aho, matesa rahavana, raha maty rahavana, matesa ny omby
OZ16
19.
Toy ny trondro voajono ny mpifoka sigara.Mahita tsirony kely izy,nefa maty avy eo.
tiaviniainagasy
20.
Aleo maty olo-malaina toy izay vaky vilany mianefitra
landryjery
21.
Hovalahy maty zanaka,ka sira no hamoizana azy
Jemmy
22.
Ataovy fitia vita voady ka sahy misotro ny aleoko maty
jock
23.
Mahantra raha samy olombelona toy ny malagasy, velona ianjadian’ny fahoriana, maty very taolam-balo.
Rakotoaly
24.
Jamba manao diamanga, ka ny rivotra no maty daka
Rakotoaly
25.
Aleo maty anio toy izay maty androany,ny fahafatesana tsy heloka fa jarahetra
ODILON
26.
Tsy misy lehibe toy ny omby fa raha sendra tsingala dia maty
5laody
27.
Mifankatiava ny velona fa ny maty efa tsy namana
yveratsimb
28.
Ny fihavanana ohatra ny landy : maty isika, ifonosana ; velona itafiana ; ka ny madilana arahim-panondro.
yveratsimb
29.
Ny maty no tsy alevina Alakamisy sy Alahady, ny velona no tandrovina
yveratsimb
30.
Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo : tsy maty, fa malazo
yveratsimb
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0824