Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mena
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mena
Hampiditra ohabolana
1.
Ny adala no omena vady fa ny hendry misafidy
hery
2.
Toy ny mpivady miara-miasa, menatra ny hifampi-baiko.
MpitadyHasambarana
3.
Ahandro mahia mila menaka, raha matsatso mila sira, raha tsara tsy mila dera.
Makoah
4.
Ny velona arahim-potsibary ,fa ny maty arahin-damba mena.
Benjamadagasikara
5.
"Aza manao toy ny atody voakapoka ka mahazo menaka mafana vao mitambongana"
vonjygildas.mnp
6.
Aleo mizara toy izay omena
randimbya
7.
Menaky ahosotry fory ka hetotry no mba avalinazy!
anicetmartial
8.
Menaky nahosotry fory ka hetotry no avaliny azy!
anicetmartial
9.
Sarotra entina toy ny rafoza be tsiny,omena ny manta tsy omby vilany,omena ny masaka sisa tsy lany.
fitahia
10.
Sarotra entina toy ny rafoza. be tsiny,ome.na ny manta tsy omby vilany,omena ny masaka sisa tsy lany.
fitahia
11.
Mena mason'ny nahiny tahaka ny vivy nanitrika.
aivetinakely
12.
Aza manao valifatin'ilay fo menarana.
niryna
13.
Ny fanambadiana tahaka ny menaka, ka raha manalavitra ny afo dia mandry
yveratsimb
14.
Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana
yveratsimb
15.
Tretroka akoholahy mena fa ambanin'ny mena.
aivetinakely
16.
Longo ratsy tsy menatra izay hitsoriaka
yveratsimb
17.
Volamena notaingenam-boahangy, tafahaona samy mamiratra.
aivetinakely
18.
Ombilahy isangodinan'ny menarana, ka raha omby ny vavany tonon'andro ny ho faty.
aivetinakely
19.
Voamena maniho ariary
yveratsimb
20.
Izay sahy maty no mifono lambamena
yveratsimb
21.
Omena mody voky, nefa mangala-pihinana ihany
yveratsimb
22.
Hafahafa fitia sifotra ka ny tamenany indray no ariana
yveratsimb
23.
Haremberi-foana toy ny menaka ahosim-bazimba
niryna
24.
Rafotsibe lavo an-tanimena ka tsy te hierika ran-kena
LemenaTsiAfo
25.
Toy ny kavim-bolamena eo @ oron-kisoa,Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena
2N.E
26.
angamenavava ka samy mitsilo ny alehany.
itaramasoandro
27.
Trandraka mivelavina an-tany mena, volon-tany no arahina
niryna
28.
Toy ny tongotra vakivaky ka sady maharary no mahamenatra
niryna
29.
Tsy hitanareo va ny maty? Tatarobe miefi-damba, misaron-doha tsy ho aiza. Maraina tsy mba mifoha, hariva tsy mba mamindro; tany mena no ambny tratra, rari-vato no an-dani-mandry.
soanja
30.
Tany mena nafi-dambo: indao maty. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0898