Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe miana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
miana
Hampiditra ohabolana
1.
Ny teny toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana
RIJA08
2.
Mpamosavy miana-draharaha ka ny ao an-trano ihany no lanahana
OZ16
3.
Mpirahalahy mianala, ianao tokiko izaho tokinao
OZ16
4.
ALEO MIANATRA TSARA HAJANY OLONA TAFITA FIANARANA. TOHIZAY TSY MIANATRA ANEFA AMBAKANY OLONA IZAY TAFITA FIANARANA
ANDRIAMENA45
5.
boka mianatra bisikileta, vo manombaka tonga dia manao tsy an-kitazona
ravelobe
6.
Mianatra mitia isika avy amin'ny fitiavana ao anatintsika.
niryna
7.
Ny tena marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
yveratsimb
8.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana, toy ny fary lava vangy
yveratsimb
9.
Nahoana no atao terak'ombin'Ambohimahagaga, ka ny tsy mianaka no ampinonoina?
soanja
10.
Andevolahy mianala; ka ny hazon'andriana tsy tonga, fa ny fanoto no lanjalanjaina.
soanja
11.
Aza manao hajejojejoan'ilay Ikala vao miana-dahy ka mosoara iray ihany no hamelomana fera
kimbol
12.
Samy miana-mandeha ka izay miraingiraingy no potraka aloha.
aivetinakely
13.
Ny teny marina toy ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
niryna
14.
Tsy lany hamamiana tahaka ny fary lava vàny.
aivetinakely
15.
Lehibe foana toy ny amiana
niryna
16.
Lehibe vao miana poto tsarika ka sahirana
kanto1
17.
Aza lany andro eo am-pisangian-takotra toy ny boka mangala-pihinana, na ho variana mamahan-kary toy ny mpamosavy vao miana-draharaha.
aivetinakely
18.
Izao isika izao dia tsy misara-mianakavy, velona iray trano, maty iray fasana
niryna
19.
Tsy lany hamamiana toy ny fary
niryna
20.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana toy ny fary lava vany
niryna
21.
Ny mitovitovy dia mivady, ny kely sy lehibe dia mianaka
latina
22.
Ny fiarahabana toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana
vato
23.
Ka tea mianatry sinjan'olo tsy hiravoky
roscarb
24.
Zazalahy mianala, ny hazon'Andriana adino fa ny fanoto no lanjalanjaina
jentilisa
25.
boka ikala tsy renin'iny koto, boka ikoto tsy rain'i kala, boka vao misara mianakavy.
estine
26.
Mpirahalahy mianala, izaho tokiny, izy tokiko
doum
27.
Ny teny marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
hery
28.
Ny teny marina ohatra ny fia-pary ka na lava aza tsy lany hamamiana.
ftma
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0177