Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mila
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mila
Hampiditra ohabolana
1.
Mila voatsiary tahaka ny mangataka afo amin'ny olona efa maty
Hajaaa
2.
Tsy misy mahay milatro tahaka ny dokotra, fa rehefa taitra mirifatra ihany
Mbolahasy
3.
Kibokiboin'ny marina ka milaza tsy anontaniana.
ndrina56Oha
4.
mandiso fanantenana tahaka ny afrikanina milanja pecto
hash20
5.
Ahandro mahia mila menaka, raha matsatso mila sira, raha tsara tsy mila dera.
Makoah
6.
Raporapon'ny lentiky mila vonjy.
Tongasoa9
7.
Mpamosavy milaza tia fahavalony, hay mila tamby fahafatesana
ram20
8.
toko tapaka vilany mitongilana na be na kely fa izay mahita ny marina mba milazĂ
marsonxavier5
9.
Banga mihinam-boanjobory, any am-body vao milalao kanety
mick87al
10.
Matikambo milaza tsy tia nefa avela irery milela-bilia.
Ny_Arlinah
11.
Aza milaza ho tsy kitay,tsy vary maina;fa tsy fantatrao izay havoakan'ny ampitso.
Ny_Arlinah
12.
Izay tsy milalao sain-kanina, sakaiza-bilany vy kendakorona
zahoity
13.
Izay mitovy ro milambagna
OZ16
14.
"tano ny hazo fa sarotra ny mila"
herivola35
15.
Be hambo tahaka ilay jamba ka milaza fa mahita kitana mitatao vovona
NYAMI
16.
"Zaza nilaozan_tsakaiza ka milalao vovoka irery"
MATOKYAH
17.
Tsy mety raha ny ateran-kira indray no milaza ho tsy mahay mihira.
niryna
18.
Tsy misy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany ; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, tsy tonga.
yveratsimb
19.
Aza mody milaza fa tsy tompon'andraikitra amin'ny zavatra atao.Andriamanitra irery no mahalala ny ao am-po tsy miafina.
niryna
20.
-Indray mandeha no manana patsa indray mahandro ka milaza tsy orin-daoka
danbal
21.
"Ny manta ambilany mila mpahandro, ny masaka an-tokonana mila mpandoatra, ny voaloatra an-dovia mila mpampandroso."
soanja
22.
Antakay milagnona: tsy ilam-potsy maso. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
23.
Tsinjak'Izakasoa, ka samy mila ho azy.
soanja
24.
Tatabava, milaza taon-tsy hisitrahana toy ny kankafotra.
soanja
25.
Ny anivona tsy mila antsetra, ny mpilotra tsy ilana tahony, fa izay mikendry no mahavoa.
soanja
26.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery.
soanja
27.
milaza tsy tia nefa manaramaso
kiriah
28.
Androngo milanja lolo, ka tsy ny hohanina fa ny hoderain'ny hafa.
soanja
29.
Androngo milanja lolo, ka lehibe am-pitondrana fa kely am-pihinana.
soanja
30.
Manao tahaka ny angely, ka milaza mbamin'ny elany.
soanja
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.077