Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ondry
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ondry
Hampiditra ohabolana
1.
Be fandrahonana ohatra ny ampanga, mbola any an-tany dia mamonkona totohondry!
hery
2.
Boka mangata-pitahiana,zanahary hanome no anombanana totohondry
raolivivere53
3.
Zanak'ondry mifatotra amoro-ketsa, fararanon'ny maso fa tsy fararanon'ny kibo.
Jj190263
4.
Sanganehana tahaka ny ondry nanambady alika, ny vody lisaka nefa ny zanaka tsy hanahaka.
Bouba_lova
5.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloina hofany aza tsy mety
OZ16
6.
Aza mitari-bady tsy lasam-bodiondry
OZ16
7.
Toy ny ondry mirao-bilona ka izay tratry ny tady no anaranana fo
aivetinakely
8.
Lahiantitra kendam-bodiakoho:mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso,tonga valim-pitia vao voa totohondry an-katoka.
NIAINATOKY
9.
Lahy antitra kendam-body akoho : mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso ; tonga ny valim-pitia vao voa totohondry an-katony.
yveratsimb
10.
Adala nomen-tanan'ondry , na soloana ofany aza tsy tia.
aivetinakely
11.
Rafotsibe leom-boanjo ka tain’ondry avy no andosirana
yveratsimb
12.
Manao halo-pozan' ny mondry izy, ka mitoto azy ho mafy
yveratsimb
13.
Amboa homana ondry, ka ny fo no manefa
yveratsimb
14.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloana ofany aza tsy tia
aivetinakely
15.
Tonga alina ohatry ny vady tsy vita vody ondry
kiriah
16.
Tokin-dreninondry ka tratrin'ny alika eo ampibahanana.
soanja
17.
Ondry lahy diso ketsa, ka izay sahy manome lasiventy.
soanja
18.
Misoron'ondry tsy volony, ka mankaloza ny aretina.
soanja
19.
Rafotsibe leon-kofak'ondry ka tsy tia zava-misavily.
soanja
20.
Adala nomen-tanan'ondry, ka na hosoloana hofany aza tsy omeny.
soanja
21.
Ondry bobo fanenjik'amboa.
soanja
22.
Sanganehana ohatra ny ondry sangian'alika.
soanja
23.
Ny ondry voatsipi-taolana, fa ny alika voatsipi-bilona, samy ao fa nifandiso.
soanja
24.
Nonon'ondry efa-doza, telo antambo, roa tsy miova fa fanao.
soanja
25.
Ondry lahim-benty, mahalany kolokolon-tsasanangy.
soanja
26.
Mivadika imaso toa tandrok'ondry.
soanja
27.
Totohondry diavolana, ny mazava iray ihany no voa
niryna
28.
Manalasala toy ny milely ondry. Itsanganana iva loatra, andoalihana avo loatra
Ratianakel
29.
Ondry bonaika, tsy fanta-piaviana, tsy hita hiresahana.
aivetinakely
30.
Maro ny ondry any an-tsaha fa ny maranin-tsofina ihany no an'ny andriana
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0513