Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rano
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rano
Hampiditra ohabolana
1.
Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana
RIJA08
2.
vary sy rano, antsaha tsy mifanary, an-tanana tsy mifandao
RIJA08
3.
Sotro ranon'ny mahantra,tsy hetaheta fa fanampi-tsakafo "Zavona Rakoto"
ZavonaRakoto
4.
Ny hazo no be doladola, ny rivotra no tia tositosy. Ny ranomasina no mafy fanonja, ny volana no fenomanana
Azrael666
5.
Enga anie ny devoly izay mitady handrebireby anareo, ho tahaka ny bararata amoron-drano, ka hangovitra mandram-pahafatiny
Azrael666
6.
Mikoba-drano marivo, ka mahavery fanahy ny tsikovoka
hery
7.
Sakaviro tamotamo, na metisy na madamo tsy anariako valy an-trano
FatikyRaketa
8.
Mpivaro-drano tratr'orana sady vizaka no maty antoka.
aivetinakely
9.
Ny marina toy ny rano tsy mety kapaina
Redd
10.
Ny takatra no nahavita trano ka ny vorondolo no mibohy
hery
11.
kanakana manotrona atodim-boay, tsy miantoka ny hahafoy fa tahotra ny rano iarahana mandro
Jocelyn Bellarmain
12.
Tranoben'Antananarivo ka izay mahavita aloha no manenina.
lraharimalala27
13.
Rafotsibe mitarano,izay mahasoa ataon'Andriamanitra
Jj.be
14.
Tsakaranon'i Arivo ka aleo hilamina dia misesy
Jj.be
15.
Vazo mitovy ihany va dia hita rano
kabarsTipaka
16.
Zanak'ondry mifatotra amoro-ketsa, fararanon'ny maso fa tsy fararanon'ny kibo.
Jj190263
17.
hala mamelatra trano am-baravarana: tsy mibahana ahy androso fa mamandrika sakafony
ramandasonfelix
18.
velona iray trano,maty iray fasana
cyberzoom502
19.
"nahita akanga tsara soraka; ka nanary ny akoho tama an-trano"
ramiandrisoa_jean_marc2018
20.
tsy amoron'ny alika ny matory ambanin'ny trano; fa tsy fahavitany trano
ramiandrisoa_jean_marc2018
21.
Bararata amorondrano , mangovitra mandrapaha-faty
tomboka
22.
Ranomaso tsy mahatana aina
tahiana.dafy2015
23.
"Ny olombelona toy ny fandrin-drano,tsy misy avo sy iva"
ricardomaminiaina628
24.
Dedaka tonga rafozana ka trano bongo no asiana fandri-baratra
Bouba_lova
25.
Ny fanambadiana tsy ferin'alika ka ho vitan-delaka, ary tsy tranon-kala ka ho vitan'ny vody
lehsabotsy
26.
toy ny rano ampasika ny zaza,ka mora ahitsy.
heriy
27.
tafita vao rendrika toa ny boka miapita rano
nrs
28.
ny saka sy ny alika miady ka miady hatramin'ny adala , mpvady miady ko ny zaza ao an trano no darohana
2016
29.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
30.
Rava tokantrano rava harena.
aivetinakely
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176