Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tady
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tady
Hampiditra ohabolana
1.
Hatsipy ny tady eny antandroky ny omby, hatsipy ny teny ao ampon`ny mahalala
RIJA08
2.
Be vava nanjono pirina;pirina no azo ka amalona no lazaina nanapa-tady.
Rakoto Mpikabary
3.
Enga anie ny devoly izay mitady handrebireby anareo, ho tahaka ny bararata amoron-drano, ka hangovitra mandram-pahafatiny
Azrael666
4.
Aza mahidy imason-tsipa, fa ny vola fitady ary ny aina fanary..
Ny_Arlinah
5.
NY VOLA FITADY,NY AINA FANARY
Damihar'sS
6.
Akoho kely miambozona tady mahazaka ka mitondra ny tsy heran'ny aina.
Kdaombaramita
7.
"Mitady sitrany ôtrany totozy terekanina nefa nasitriny."
aer0jhony
8.
Afatotra maninton-tady, ampandehanina tsy afaka.
BEDOGAIGY
9.
Toy ny ondry mirao-bilona ka izay tratry ny tady no anaranana fo
aivetinakely
10.
Ny firaisana no mateza ny fifankatiavana no tady mandrohy azy.
yveratsimb
11.
Ny vato no mikodia mitady tany marina.
soanja
12.
Vazo ambava sa vazon'ny fo? raha vazon'ny fo fohazy hitady ny anjarany, fa raha vazon'ny vava kaloy hampisento.
aivetinakely
13.
Ny tena mahery fo dia tsy mitady satroboninahitra
niryna
14.
be vava nanjono pirina ; pirina no azo ka amalona no lazaina fa nanapa-tady
bobone
15.
Aza manjaitra atody vaky na mamaky akotry ka mitady tombony vao maika an-tombony
niryna
16.
Ny tia mody mamilafila, fa ny tsy tia mitady kendritohina.
aivetinakely
17.
Eny Itôsy no mamahana alika ka aty Andranolalina no mitady hanina.
aivetinakely
18.
Mifampitady toy ny fo tsy mifankafoy
aivetinakely
19.
Fatra mpitady ny tsy hita ka manary ny hita maso.
niryna
20.
Mitady loza ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manompo sikidy
niryna
21.
Mpaka zaza tam-po maniry hanan'anaka, rehefa tena mitady tsy mahazo intsony.
ilanto
22.
Fatra-pitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina.
niryna
23.
Fatra pitady izay tany tsy misy fasana ka sendra izay mihinana olona
niryna
24.
Matahotra ny hisaorana ianao ka mitady ny fanotrehan'atody
latina
25.
fatra-pitady fitia mba hanampy, ka manary ny mby an-koditra
latina
26.
Fatra-pitady ny hofany, ka manary ny tenany be
latina
27.
Fatra-pitady ny tsy hita, ka manary ny hita maso
latina
28.
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay homana olona
tia
29.
fatrapitady ny tsy hita ka manary ny hita maso
tia
30.
Fatra-pitady ny manganana, ka ho sendra ny mangidy tsy telina
Silo
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0273