Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tampo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tampo
Hampiditra ohabolana
1.
Ny tampoka tsy maha lehilahy, fa ny mahalehilahy tonga tampoka
hash20
2.
Aleo Maty Tampoka, Toy Izay Maty novonoina.
avoss Jah
3.
Ny lahy samy lahy na vavy samy vavy tsy mahazo miray ara nofo na mpiavana na mpiraitampoha fa ny mpivady ihany no afaka miray aranofo vita mariazy sy vita soratra arampanjakana
andriamena45
4.
Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano.Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady
FENOSOA2
5.
Tampontampoin'ny manambady Raketaka ka misambo-balala hariva.
soanja
6.
Ampamosavy tampodiam-paty nandrazana: tsy vagnon-draha nanina ka nody.
soanja
7.
Aza mandihy eo an-tampon'ny antambo.
soanja
8.
Taitra tampoka toy ny nokakerin'ny fihitra.
soanja
9.
Ondrilahy manantena tampon-kandrina.
soanja
10.
Rasazy tampo-pahaizana ka antitra indray vao mangarombody
Ratianakel
11.
Aza ny lohasaha mangina no jerena, fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha
heureuse
12.
Mpirahavavy mifanehatra, ka ny fideràna bika no alohan'ny maha-mpiray tampo.
aivetinakely
13.
Izay tsara vady mahay miresaka, fa ny vady mpamitaka toa ny afo antampon-doha ka sady mandoro no mahafaty.
aivetinakely
14.
Ziva tsara toetra ka mihoatra ny iray tampo
aivetinakely
15.
Tampotampoim-pahasoavana ka hibaby kisoa mita rano
ratoul
16.
Tampotampohany sahala ny boka nahazo kapa ka eny am-pandriana avy no tsy hiala kiraro
Bazily
17.
Izay olona hanarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana
niryna
18.
Hazo nambolena antampotanety, koa sady manome aloka no manome loharano.
ilanto
19.
Toy ny irai-tampo samy hafa ray, ka samy manana ny azy
latina
20.
Tampotampohin'ny manam-bady Raketaka ka misambo-balala hariva
latina
21.
Ny anatra vahiny: tiana, mody mandry, tsy tiana, mitampody
latina
22.
maty be tampon-kindy, ka voninahitrin'ny tompombady
miara
23.
sola loha mividy fihogo, ka maha lasa ny saina hoe:ny volom-bava no atao soro-bilana sa ny volon-tratra no atao vaky tampona
ralevha
24.
Tampotampoham-pahasoavana ka mibaby kisoa mita rano
hery
25.
Ny anatra vahiny: tiana, mody mandry; tsy tiana, mitampody
rapala
26.
ny tampoka mahavery ny kasaina
jentilisa
27.
ny tampoka mahavey ny kasaina
jentilisa
28.
Ny ray aman-dreny no masoandro amam-bolana ka lolohavina eo an-tampon'ny loha
JMR
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1356