Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
rano
Hampiditra ohabolana
-29.
kanakana manotrona atodim-boay, tsy miantoka ny hahafoy fa tahotra ny rano iarahana mandro
Jocelyn Bellarmain
-28.
Rafotsibe mitarano,izay mahasoa ataon'Andriamanitra
Jj.be
-27.
Ranomaso tsy mahatana aina
tahiana.dafy2015
-26.
Ranobe tsy tetezin-doha
OZ16
-25.
Raha nisakana Ikopa, raha nisakana i Mananara, tsy hary i Betsiboka.
Rakotoaly
-24.
Mpiatsara ivelatsihy mody madio ohatra ny ranon'i Masay.
oely89
-23.
sahobakaka latsaka am-pantsakana, ny hevitra ivoahana misy fa ny hoza-body no tsy maharaka
5laody
-22.
Rano atami-bato ny maniasia no betsaka.
aivetinakely
-21.
tsikovo-drano, foza voatango: lalina fisaina fa ho ritra ny rano.
itaramasoandro
-20.
Akora latsaka an-drano: madigny Zanahary hamelona. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
-19.
Ny trebitrebiky gny rano ka regniko, fa gny aomby nihanagn'alina tsy hitako. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
-18.
Rano tsy fisotro, tsy anasam-bava. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
-17.
Finoman-drano an-tagnana: tsy efan'ny indraika. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
-16.
Rano natondraka eny an-damosin'ny gana.
soanja
-15.
Ranom-potaka aza manonja ka mainka fa ranomasina.
soanja
-14.
Tai-dava toy ny saobakaka am-body riana.
soanja
-13.
Saobakaka anaty kamory ka hitoetra toa ho faty , hifindra toerana toa tsy ho velona.
soanja
-12.
Ny dobo tsy hita no mahamanina, fa rehefa hita sahala ihany.
soanja
-11.
Tovovavy miady an-tanana ka tsy avelan'ny fantsakana tsy hiray.
soanja
-10.
Alika mitsaba-doharano ka tsy hetaheta fa hasomparana.
soanja
-9.
Zatra ankararana ka tsy vitan'ny an-tsiririka.
soanja
-8.
Tari-drano ririnina ka miainga amin'ny toerany fa tsy tonga amin'izay hilana azy.
soanja
-7.
sotro ranon'ny mahantra tsy ala hetaheta fa fanampi-tsakafo
bemena
-6.
Rano an-tambo, tsara anarana fe milaza loza.
aivetinakely
-5.
Mpivaro-drano tratr'orana ka tratry ny nataony ihany.
aivetinakely
-4.
Be tsy mahafaka hetaheta tahaka ny ranomasina.
aivetinakely
-3.
Kapain-tsy hita fery tahaka ny rano ny lehilahy
aivetinakely
-2.
Tari-drano ankilahila, ny mania no betsaka.
aivetinakely
-1.
Ikopa no renirano malaza, ampian'ny tatatra arivo saha, ny foto-kazo no midoroboka, ny sampany sy ny rantsany no misandrahaka.
aivetinakely
0.
Ny rano am-parihy, hono, no fanovo amin-jinga, ny vary no fitoto an-daona, ary ny sompitra ambany rihana no miantoka ny taon-tsarotra.
aivetinakely
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0108