Ohabolana nampidirin'i aivetinakely

Search ohabolana
Mampiseho ny 744 - 763 amin'ny 783
# Ohabolana Nampiditra
763 Miandra, miondrika tahaka ny vitsy, tsy lamaody fa tahotra fahavalo. aivetinakely
762 Voadinika lava tahaka ny vady vao, mandeha voatsikilo, mipetraka voara-maso. aivetinakely
761 Tsy misy fanafodiny tahaka ny hanigna, mionona ihany fa tsy zaka. aivetinakely
760 Aza manao fanirin-drambon'omby, ny raviny indray no ambany. aivetinakely
759 Aza manao tahaka ny tsipolotra, antitra vao tia sangy. aivetinakely
758 Varotry ny boka, manintona saingy manalasala. aivetinakely
757 Mazava ampidirana tahaka ny vovo, fa maizina ampivoahana. aivetinakely
756 Saka voatapa-drambo, veloma ry fitsangatsanganana. aivetinakely
755 Tia randram-bao, ka bangon-drazana no ahilika. aivetinakely
754 Zava-doza tahaka ny kankana mandimby mirana, sady mamoy aina no tsy mahate-hijery. aivetinakely
753 Tsy mahataitra tahaka ny ranomason-jorery, izay miraraka de very. aivetinakely
752 Lava vatana tahaka ny "train", tsy mahay afa-tsy ny mamanta-mahitsy miditra tonelina. aivetinakely
751 Ratsy anarana tahaka ny "hala" saingy famantarana andro tsara rehefa miasa. aivetinakely
750 Tsy misy hendry tahaka ny samoina fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany. aivetinakely
749 Vanda-miamboho toa mpihatsaravelatsihy, ny fihodin'ny masony no amantarana azy. aivetinakely
748 Sasa-miandry tiana tsy voakaràma, miaritra fa mbola babony. aivetinakely
747 Ombivavy terendronono, ny hafa razana no voky aloha. aivetinakely
746 Fiadanana tsy natolotra fa nokarohina, very hasina raha tsy nanajàna havana. aivetinakely
745 Vazo ambava sa vazon'ny fo? raha vazon'ny fo fohazy hitady ny anjarany, fa raha vazon'ny vava kaloy hampisento. aivetinakely
744 Kely vatana mahalavo ny mahery tahaka ny fintana. aivetinakely
 < 1 2 3 4 >  Last