Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
aivetinakely
Hampiditra ohabolana
61.
Akohokely paohin'ny papango, very vao misidina ambony.
aivetinakely
62.
Rano atami-bato ny maniasia no betsaka.
aivetinakely
63.
Ombilahy isangodinan'ny menarana, ka raha omby ny vavany tonon'andro ny ho faty.
aivetinakely
64.
Kely vola ka mitatatra alohan'ny maro.
aivetinakely
65.
Adala nomen-tanan'ondry , na soloana ofany aza tsy tia.
aivetinakely
66.
Maivan-tsaina tahaka ny angidina, akanjo manify no enti-mirehareha.
aivetinakely
67.
Ny teny toy ny antsy, izay maranitra no adidy.
aivetinakely
68.
Be tsy misaina tahaka ny vato, tsy miteny ka taingenam-borona.
aivetinakely
69.
Vahiny an-trano tokana, raha tsy maty voky ,maty noana.
aivetinakely
70.
Miara-monina amin-dRakalamoana ka ny baiko andratsana no be.
aivetinakely
71.
Izay fatra-panova vady rava harena.
aivetinakely
72.
Aleo manambady fanahy toy izay manambady tarehy.
aivetinakely
73.
Aza atao hantan-kankana ka tapaka eo ampiolehana.
aivetinakely
74.
Mafanafana tahaka ny ratsy atao an-kavana.
aivetinakely
75.
Hendry zana-bady ka miaritra ny ditran-dreniny.
aivetinakely
76.
Kely fitia ka mitatatra fahavaratra.
aivetinakely
77.
Voanemba mitsipika anjoron-trano ny zanaka manam-bady havana ,tsy very fa miharo amin'ny namany.
aivetinakely
78.
Sikotry tsy lavitra ny omby, lehilahy tsy lavitry ny vehivavy.
aivetinakely
79.
Olombelo-mandeha , tsy very fa mahita raha.
aivetinakely
80.
Ny teny toy ny vato , izay maivana no atoraka.
aivetinakely
81.
Aza atao vato natsindry ahazana ny fitiavana, ka rehefa vita ny nilàna azy atsipy any andavaka.
aivetinakely
82.
Trano nafindra tsy mitovy zoro.
aivetinakely
83.
Ny manana omby manana hena, ny manana fahaizana manana harena.
aivetinakely
84.
Akoho mihehy tany, tsy haitraitra fa famerena-trosa.
aivetinakely
85.
Kabary zato , teny arivo fa iray ihany no tiana hahatongavana.
aivetinakely
86.
Andevolahy nahazo asa ka ny valifaty no mandany ny fiainany.
aivetinakely
87.
Ny olombelona ladin'akondro, mifanindry fa tsy mifamono.
aivetinakely
88.
Haren-dany tsy mba harena.
aivetinakely
89.
Fiainan'ny mpifankatia, ny te-hifankahita no mandany ny andro.
aivetinakely
90.
Manaova toy ny vary , tsy vitan'ny efa mijoro fa miondrika koa maka saina
aivetinakely
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.079