Fanoroam-pejy
Hiditra
Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Nampidiriko
Samihafa
Lisitry ny ohabolana
Hitady ohabolana
Ok
Mampiseho ny 50 - 69 amin'ny 69
ny lainga toa ny salaka ka ny tena hiany no afatopatony
hanta77
ny marina miraviravy tsy maharesy ny lainga tsara fototra
chipie1
Aleo mifanena amin'ny mpamosavy toy izay mifanena amin'ny mpandainga
JMR
Ny lainga donga takona fa mahia mifanatrika
Vetso
Aza milaza atsanga tsy aman'orana
jentilisa
Ratsy tokoa ny lainga, fa ny mpandainga aza tsy tia azy
hery
Raha foin’ ny vava, tsy misy raorao ; fa hany raoraon’ izany ny lainga
hery
Lainga sy fitaka tahaka ny ranomasom-boay
jentilisa
Ny lainga toy ny vary aloha: mahafatra-po fa tsy mahavita taona.
jentilisa
Omaly ianao nisolanga ho tandrony, anio ianao nisafelika ho sofiny
mandrindra
Ny lainga mampitsolantsolana andro ilazana fa mampivalomainty raha mifanatrika
mandrindra
Ny lainga toy ny nify maharary ka ny esorina no mahatsara azy
JMR
Ratsy tokoa ny lainga fa na ny mpandainga aza tsy tia azy.
jentilisa
Lainga marivo tototra ka hehezin'ny akoho tokan'anaka.
jentilisa
ny lainga volombodin'ny mosavy
jentilisa
ny lainga mora atentina fa sarotra ialana.
jentilisa
Raofina ihany toy ny lainga, fa raha feno miraraka.
jentilisa
ny lainga mampisolantsolana andro ilazana, fa mampivalomainty andro ifanatrehana.
jentilisa
ny lainga toy ny salaka ka ny tena ihany no afatony
bozimanga
ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
bozimanga
1
2
3
>
Last