Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
sakafo
Hampiditra ohabolana
31.
raha mararin-teny, aza mitakarina.
itaramasoandro
32.
Ombin-tsarety mitondra henomby,ka lasa vinany ny fiainan-koavy! Voaforona t@ 2009
zokieva
33.
ramatoa be mihinan-kitoza , ny tsirony no tadiavina ny rara-kivy no raraka
19822709
34.
Mofo akondro sy lelamolotra ka izay manina manantona
josla
35.
"Ny manta ambilany mila mpahandro, ny masaka an-tokonana mila mpandoatra, ny voaloatra an-dovia mila mpampandroso."
soanja
36.
Farim-bazaha, lanim-bazaha. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
37.
Sakafo AnKeragna: lany omban-drano. (Ohabolana BESTIMISARAKA)
soanja
38.
Rom-boay: izay mahasahy homana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
39.
Banga mihinan-trafon-kena ka lasa tsy antonontonona.
soanja
40.
Trafo nasondrotry ny nofo.
soanja
41.
Mananjara izay itobahan'ny rony fa ny ventiny mandeha an-danjany.
soanja
42.
Tsy ny sakafo any no maharaikitra ny dia , fa ny veloma atao.
soanja
43.
Ganagàna mitety asa , ny hanina tsy hita ny tratra mangana
kiriah
44.
potsik ovin ankaratra ka samy mihinana ny voa-poriporiny
kiriah
45.
ny kibo noana tsy maha lavi-tany
kiriah
46.
Trafo-kena ome-mahery ka ambava homana am-po mieritra
kiriah
47.
Vary amin'anana ilaofan-tsakay, ka tiana hasiaka ny malaolao.
soanja
48.
Anatsinahy lavitra olona ka antitra ampijorana.
soanja
49.
Ny anana aza mahavaly hena.
soanja
50.
Toy ny zaza nomena ontsy ka dia nihinana.
ontsy
51.
Ny ambilia tsy lany, ka ny any ambilany takarina
sylvoalias
52.
Aza manao fierin-kanin-jaza, ny an-tanana ariana, ny am-bava aloa
niryna
53.
Hano ny hanina fa ny harena mila vintana
herikely
54.
Havana raha misy patsa
RALANTO
55.
Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
marozevo
56.
Lany matsatso toy ny siran-dRamahihitra
marozevo
57.
Mitsako an-tsena, ka ny sofina no miampaga azy
zouzou
58.
Lany maina ohatra ny sakafon-doholona
McFy
59.
Toy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ka tian-ko lalina indrindra
hery
60.
Aza mandrao-bary ao an-trano hafa
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116