Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Atody
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Atody
Hampiditra ohabolana
1.
Ny teny toy ny atody ka raha fohy manan`elatra
RIJA08
2.
Ny akoho no tsy manatody in-droa ao anatin' ny iray andro dia ny fitsinjovana ny ampitso!
Jocelyn Bellarmain
3.
"Aza manao toy ny atody voakapoka ka mahazo menaka mafana vao mitambongana"
vonjygildas.mnp
4.
voalohan'atody ka soritana arina
OZ16
5.
"Aza diso mahihitra ka hanjaitra atody sy hitetika parasy"
aivetinakely
6.
Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-zafy intsony.
yveratsimb
7.
Atody tsy afindra reny ; ro tsy afindra vilany
yveratsimb
8.
Tsy asiana mizana tsindrin’ila na atao atody mafana ila
yveratsimb
9.
Ataovy toy ny fanolotra atody ka atolotra mbamin'ny akorany
aivetinakely
10.
Manao atody mafana ila.
soanja
11.
Atody fito fototra, tsy ilaozan'izay ho lamokany.
soanja
12.
Aza misafidy eo anoloan'ny akoho sy atody, fa tsy fantatra marina izay taloha.
aivetinakely
13.
Aza manjaitra atody vaky na mamaky akotry ka mitady tombony vao maika an-tombony
niryna
14.
Tsapatsapa vodin'akoho, raha tsy tay dia atody.
king58
15.
Tsy mivaky loha tahaka ny sahona mandao atody.
aivetinakely
16.
Aza manody ny voky atody
zazadel
17.
Tsy ny atody lamokany handoto ny rivotry ny mpianakavy, fa ny atody foy efa zary zanany, mikiokioka vao hary elatra.
aivetinakely
18.
Fanitsiana:Aza manjaitra atody vaky
niryna
19.
Aza manjaitra atody vaky
niryna
20.
Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-jafy intsony.
niryna
21.
Matahotra ny hisaorana ianao ka mitady ny fanotrehan'atody
latina
22.
aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitodi-jafy intsony
latina
23.
Atody tsy miady amam-bato
latina
24.
atody tsy afindra reny, ro tsy afindra vilany
latina
25.
ny atody tsy miady amin'ny vato
Malalason
26.
Mitsapatsapa vodin'akoho: raha tsy tay atody
roscarb
27.
Mitabataba tonga rafozana, atody akoho no laoka ka famaky no tadiavina
razooz
28.
Atody miady amim-bato
JMR
29.
Tsapatsapa vodin'akoho : raha tsy tay dia atody
JMR
30.
Atody makakoa latsaka an-dalana, samborina izy maty ny ray; avela izy, maty ny reny.
ftma
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.071