Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant Mahay
Liste des proverbes, contenant
Mahay
Insérer un proverbe
1.
Andriamanitra nanome fa i Balita no tsy mahay manana
RIJA08
2.
Ny mpilaza misy fa ny mpihaino koa mahay.
NtaoloZ
3.
Izay mahay mihaino no mahay miteny
hery
4.
Tsy misy mahay milatro tahaka ny dokotra, fa rehefa taitra mirifatra ihany
Mbolahasy
5.
Mpianatra samy mahay , ka mifanome formule diso
kabuto
6.
Mahay roa hoatra ny lelan'omby,ka sandy any ambava no any ambody
layaunne
7.
Ny mahay vava tsisy hery
gerardjapon2
8.
Ny valala misy, ny mpilaza koa mahay
nalsonrazakariasa2015
9.
Izay manan-tsira,mahay mahandro.
Ny_Arlinah
10.
"Tsy misy mahay maka fofo-pofona mihoatra ny amboa fa rehefa tojo fofo-kelika mitsoaka matanjaka"
vonjygildas
11.
Manao azy ho toy ilay vinanto mahay mandrafitra,ka mitondra hazo mivilana avy any an'ala.
gui.razafindrazaka
12.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
13.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny hilaza azy
OZ16
14.
Fotsy volo tsy mahay mikabary ka mipetraka atsangan'ny olona, mitsangana apetraky ny olona.
raonimanana
15.
Izay tsy mahay sobika mahay fatram bary
jonathan2015
16.
Ka manao tana mahay vata
Longonao
17.
Tsa ny toaka ro mahere fa agnay betsileo ro tsa mahay misotro...
sylvoalias
18.
Tsy mety raha ny ateran-kira indray no milaza ho tsy mahay mihira.
niryna
19.
Te-hilaza ka tsy mahay;te-hiteny ka bada lela.
niryna
20.
Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan'aina, raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
aivetinakely
21.
Ody valalan'ny tsy mahay, ka voky dia miala
yveratsimb
22.
Raha baka mahay manorirana ianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana
yveratsimb
23.
Ny mahay rano ihany no maty an-drano
yveratsimb
24.
Aza manao sotrobe lava tango, mahay atsy, mahay aroa
yveratsimb
25.
Raha mahay mitaingin’ampondra, fa raha tsy mahay mitangina ampombo
yveratsimb
26.
Raha hitsangan-tsy mahay, aleo misonenika an-toerana
yveratsimb
27.
Mpatsaka mahay mikabary, mahay ihany fa ambanin'ny siny
yveratsimb
28.
Manan-tsira ka mahay mahandro.
niryna
29.
Tsara ny mahay zavatra iray noho ny mahaihay zavatra maromaro.
niryna
30.
Aza mifampidera vady mahay mandihy, fa aoka ny sandry no hitsara azy.
hajaxy
1
2
3
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018