Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe antanan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
antanan
Hampiditra ohabolana
1.
Anti-bavy nahandro sakafo, antanan'ny tompony!
Angonoka
2.
Tapa-pary nafiko amboa, antanana maharombaka (ohabolana antakarana)
Horista
3.
Tranoben'Antananarivo ka izay mahavita aloha no manenina.
lraharimalala27
4.
Antananarivo tsy voatery ifakafatatra daholo afatsy mifanerasera matetika
andriamena45
5.
Tranoben'Antananarivo ka izay vita aloha no manenina
Tsiky84
6.
Trano ben 'Antananarivo ka izay mahavita aloha manenina
chantrire
7.
Ambohimanambola no matavy omby ka Antananarivo no lafo kitay
yveratsimb
8.
Sisi-hazon' Antanamalaza, mahitsy ihany fa tonotononana; sisi-hazon'Antananarivo, sady soa no arahim-bankona.
soanja
9.
Madio midina, toy ny andevo manasa lamban'Antananarivo.
soanja
10.
Araben'Antananarivo, na malalaka aza tsy azo ivalaparana
Bocassa
11.
Manan-jara ny eny Ilafy fa manana an'Ambohitrarahaba ho famantanana !
ontsy
12.
Manan-jara mantsy ny eny Ilafy fa manana an'Ambohitrarahaba ho famantanana !
ontsy
13.
Vorona tsy antanana tsy atolo-jaza
sylvoalias
14.
Aleo fody kely ampelantanana toy izay voromailala ambony tafo-trano(ohabolana Slovakia).
sylvoalias
15.
Tao-tranon'Antanànarivo, koa izay mahavita aloha no manenina.
ilanto
16.
Tanon'Antanananarivo io ka izay mahavita aloha no manenina.
niryna
17.
Toy ny akoholahy an' Antanantanana ka ny mazava mitarika vady maro fa ny alina kosa mandry amin'ny tainy
rtol
18.
Antananarivo no tsara trano ka i vakiniadiana no sola vantony
rtol
19.
Fandrotrarana antanàna haolo ka mandimby ray tsy satry.
aivetinakely
20.
Hena an-tànan-tsaka ka afoizo fa antànan-tompony.
aivetinakely
21.
Sasa lamban'Antananarivo, aleo rovitra toy izay tsy hadio.
aivetinakely
22.
Ny fanantenàna hahazo maro matetika no anariana ny kely eo am-pelantànana.
aivetinakely
23.
Mirehaka amin'ny be tsy hananana, toa ny vadikelin'Antananarivo
latina
24.
akoholahin'Antanantanana ka ny feony fotsiny no manga fa ny volom-bodiny ringitra
rindraintsoa
25.
tantanana sy riandriana ka tsy matahotra izay hifandona.
jentilisa
26.
Araben'Antananarivo na malalaka aza manantompo
zanita
27.
Mireheka amin'ny be tsy anananana tahaka ny vadikelin'Antananarivo
jentilisa
28.
Antananarivo no tsara trano ka Ivakiniadiana no sola vantony.
jentilisa
29.
Tranoben'Antananarivo, izay mahavita aloha no manenina.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0214