Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe avona
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
avona
Hampiditra ohabolana
1.
Very anjavona ohatrin`ny hetotry ny mpifana
RIJA08
2.
Very anjavona ohatrin`ny hetotry ny mpifana
RIJA08
3.
very salaka mitovy ka ny hisavasavana ny raviny hahitana ny fotony. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
4.
toratoraka voan-tsakay,ny voatoraka nanifi-tanana;fa ny mpitoraka nikoso-maso. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
5.
Mora ny manapa-kevitra fa sarotra ny hevitra tapaka. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
6.
Omby masiaka mifatotra ny marina ka loza hoan'izay mamoraka azy. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
7.
Ny tsiny, mantsy, tahaka ny haran-domotra saron-javona ka izay mitsakatsaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty eny an-tenantenan-tsolatra
tantanana
8.
Tsy misy tanora natao tsy hiavona, fa rehefa antitra miady lohalika.
Ny_Arlinah
9.
Aza manao fitia mifono avona.
sylvianna
10.
Aza manao fihavanan-javona, ny andro ihaonana toa tsy hisaraka fa raha misaraka dia lasan-davitra
yveratsimb
11.
Tendrombohitra fandrian' ny zavona; lohasaha fandrian' ny moka; sakeli-drano fandrian' ny mamba; izaho, kely fandrian' ny saina
yveratsimb
12.
Tendrombohitra sy zavona: mihaona toa tsy hisaraka, misaraka toa tsy hihaona.
yveratsimb
13.
Aza atao fitia miharo avona
yveratsimb
14.
Ny tendrombohitra fandrian'ny zavona, ny renirano fandrian'ny mamba fa ny olombelona kosa fandrian'ny adidy sy ny andraikitra.
yveratsimb
15.
Natao ho zavona manamasaka ny vary, kanjo fanala mamono ny mangahazo.
soanja
16.
Miakatra ho rahona fa mielin-ko zavona.
soanja
17.
Keliloha mitavona menaka ka safotra mbamin'ny handrina.
aivetinakely
18.
Volabe tsy arahim-pitiavana, zary poizina mamono ny vatana, lasa zavona tahaka ny vongandranomandry.
aivetinakely
19.
Ny zavona no manamaizina ny mazava
niryna
20.
Toy ny haran-domotra saron-javona ka izay misakasaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty an-tenantenan-tsolatra !
ontsy
21.
Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy, fa ahazo voninahitra kosa ny manetry tena
niryna
22.
Aza miakatra ho rahona ka mihelin-ko zavona
niryna
23.
Ny zavona no manamaizina ny mazava.
latina
24.
Mikopa-damba anaty zavona, manao izay tsy ifankahitana.
jentilisa
25.
Aza manao fitia mifono avona
hery
26.
Miara-dia samy miavona ka ny eo aloha tsy miandry, ny ao aoriana tsy miantso
Avahi
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0202